GlobalVoices anaty

Isiraely

Tahiry Firenena · 117 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Isiraely

18/06/2013

Sary Lahatsoratra
Notsenain'ny Polisy Tao Jerosalema Tamin-kerisetra Ireo Mpanao Hetsi-panoherana “Rariny Sosialy Israeliana “

Tohin'ny lahatsoratra

Hetsi-panoherana iray nokarakarainà fikambanana telo samy sampana ao amin'ilay hetsika "Israeli social justice (#j14)" - Rariny Sosialy Israeliana - no niseho tao Jerosalema ny alin'ny Sabotsy teo (June 8). Nitaky ny hiverenana amin' ilay fanapahan-kevitra hanondranana Entona natoraly avy ao Israely izay tsy ahazoana afa-tsy 12.5% amin'ny haba ihany no hiditra amin'ny kitapom-bolam-panjakana. Nitsipaka ilay tetibolan'ny governemanta vaovao koa ireo mpanao hetsi-panoherana, tetibola heverina izay mikasa ny hampiakatra bebe kokoa ny hetra alaina amin'ireo sarangan'olona ambany sy salantsalany, ary mifanindran-dàlana amin'izay ny fampihenana ny vola ho an'ny foto-drafitrasa ho an'ny daholobe izay tena iankinan'ny fiainan'ireo sarangan'olona ireo. Ambony dia ambony ny tahan'ny herisetra nitsenan'ireo polisy ilay hetsika, na dia nilamina sy vitsy mpandray anjara (an-jatony kely teo ireo mpanao hetsi-panoherana) aza ilay izy.

19/04/2013

Sary Lahatsoratra
Ny Afovoany Atsinanana Hita Avy Eny Amin'ny Tsy Taka-maso: Sary Zarain'i Cmdr Hadfield Ao Amin'ny Twitter

Tohin'ny lahatsoratra

Ilay "astronaute" Kanadiana Chris Hadfield, izay eny amin'ny Toby Iraisampirenena eny amin'ny Habakabaka eny amin'izao fotoana, dia mizara sary mahafinaritra avy amin'ny manodidina an'izao tontolo izao ao amin'ny Twitter. Ireto ny vitsivitsy amin'ireo saripika nozarainy mikasika ny faritra Afovoany Atsinanana avy eny amin'ny tsy taka-maso eny.

05/03/2013

Isiraely Mampiditra Zotra Mitokana ho an'ny Jiosy ho an'ny Arabo

Nampihatra Bus [zotra] misaraka ho an'ny Jiosy sy ny Arabo, mampitohy an'i amoron'i Jordania amin'Isiraely nanomboka androany [4 marsa 2013] i Isiraely. Niontana tamin'izany vaovao izany ny mpiserasera, milazalaza an'i Isiraely ho mampihatra ny fanavakavahana sy ny apartheid.

23/12/2012

Tonga Hatrany Anaty Fandrakofana Ny Disadisa Ny Adin'ny Media Hisarihana Mpihaino Ao Israely

Tohin'ny lahatsoratra

Ny olana ara-bola dia manana toerana lehibe tokoa hampikororosy ny fahaleovantenan'ireo mpanangom-baovao, izay mety tsy harisika intsony handray fanamby hiatrehana ny hetahetan'ireo tonian-dahatsoratra na mpitantana an-dry zareo izay, etsy andaniny, tsy maintsy manao tatitra amin'ireo tompon'ny famoaham-baovao. Mitombo hatrany hatrany, ireo olon-tsotra mpampahalala vaovao sy bilaogera mameno ny banga amin'ny fandrakofam-baovao navelan'ireo media Israeliana mahazatra.

28/11/2012

Manohana An'i Palestina i Pakistana

Tohin'ny lahatsoratra

Taorian'ny fampitsaharana ny ady nanaovan'i Ejipta fanelanelanana, nitsahatra ihany ny ady farany teo amin'ny Isiraely sy Palestina rehefa niteraka faharatràna olona am-polony. Satria efa miverina miadana amin'ny laoniny ny fiainana, ny...

25/11/2012

Fampahalalam-baovao Isiraeliana Voatsikera Tamin'ny Fomba Fitantarany Ny Ady Tao Gaza

Tohin'ny lahatsoratra

Rehefa voatsikera ho mandray ny fomba fitantaran'ny governemanta sy ny fiarovantenany amin'ny fanafihana ataony ireo fampahalalam-baovao any Isiraely.

22/11/2012

Poa-Basim-Pifaliana No Nanamarihana Ny Fampitsaharana Ny Adin'Isiraely sy Gaza

Miato ny ady eo amin'Isiraely sy ny Hamas, namarana ny herinandrom-pifanandrinana izay nahafatesana farafahakeliny Palestiniana 155 sy Isiraelianina dimy.

Sary Lahatsoratra
Bus Nipoaka Afovoan'i Tel Aviv Ora vitsivitsy Mialoha ny Fampiatoan'Ady

Tohin'ny lahatsoratra

Ora vitsivitsy mialoha ny fanambarana ny fampiatoan'ady eo amin'i Isiraely sy ny Hamas, nisy bus iray nipoaka teo afovoan'i Tel Aviv tokotokony ho mitataovovonana androany [21 novambra] , izay nandratra...

21/11/2012

Video Lahatsoratra
Isiraely: Ny Fiainana Anaty Fidobodoboky ny Balafomanga

Tohin'ny lahatsoratra

Mampiasa ny tambajotra sosialy ny Isiraeliana hanangona-kevitra sy hizara ny fiainany nandritra ny [dimy] andro vitsivitsy nizakana ny daroka balafomangan'ny Hamas niraraka sahala amin'ny orana any amin'ny faritra atsimo sy...

Efa Atsy Ho Atsy Ve Ny Fampitsaharana Ny Poa-basy Hamas/Isiraely?

Niely vetivety tamin'ny aterineto ny vaovao fa hanasonia fifanekena momba ny fampitsaharana ny poa basy ao Gaza ny Hamas sy Isiraely androany alina [20 Nov 2012] ao Kairo, taorian'ny herinandro...

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny