The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Iraq Sokajy ara-tany

RSS ho an ny Iraq

2008-04-09

Iraka:Fotoana iray manan-tantara

Ady ao Basra… tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina any Bagdad… fanafihana an’habakabaka any amin’ireo tanan-dehibe… avy eo fampitsaharana poa-basy… fa inona no mitranga eto an-tany e? Tatitra iray tamin’ny BBC no nilaza fa zava-poana ny hetsika natao tany Basra – maro no azonao andikana (hamenoana) azy araka izay tianao. Ary ...

2008-04-02

Sport

Miarahaba ny ekipam-pirenen’i Qatar amin’ny baolina fandaka i Saddavi ao amin’ny Qatar Living tamin’ny nahazoany isa telo voalohany amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka erantany izay hotontosaina any Afrika Atsimo 2010 (Fifa World Cup), raha nandresy ny tompondakan’i Azia Iràka tami’ny isa 2-0.

2008-03-26

Irak tao anaty dimy taona: Nihetsika izao tontolo izao

Anio, 19 mars, no manamarika ny fahadimy taonan'ny "Ezaka ho fanafàhana an'i Irak". "Tany amboalohany dia tetika nentina handrodànana an'i Saddam Hussein sy " hamàrana ny ady tsy mbola miantomboka" mbola mitohy hatramin'izao ny ady ao Irakl, mampivarahontsana ny olon-tsotra maro maneran-tany. Anatin'ity lalan-dra ity, Global Voices Online ...

2008-03-20

Development ,
History

“Raha tianao ho fantatra ny ho avin'ny fiainan-janak'olombelona, dia aza ny toerana vaovao no todihanao. Jereo ny toerana antitra na efa niainan'ny olona hatry ny ela: Toerana izay efa nisiana mpitondra maro sy fanjakana matanjaka nifandimby na nifampisolosolo nihanahery sy nidaboka anarivony taona izao, toerana kely nifampisonana nefa namelona vahoaka anarivo arivony nandritra ny taonarivo maro. Jereo i Egypta. Jereo i Iràka,” hoy i Elijah Zarwan izay manoratra avy any Egypt.

2008-01-31

Disaster ,
War & Conflict

“Mahatratra 1 000 000 ankehitriny ny isan'ny Irakiana maty ‘voatifitra' noho ny fibodoan'ny Etazonia ny taniny, saingy ireo (mpanao politika Amerikana) nankato ny fitsabahan'i Etazonia tany kosa na avy amin'ny “antoko ankavia” na avy amin'ny “antoko ankavanana” dia mbola mitady fialantsiny sy hevitra mandrakariva hanao izay hijanonana any Iràka” hoy Raed Jarrar avy any Iràka nanoratra.

2008-01-17

War & Conflict

Abu Muqawama no nitati-baovao momba ny“the Rambo Syndrom” na ny tsimok'aretin'i Rambô.Nosoratan'ny mpamaham-bolongana ary fa ny gazety New York Times no namoaka lahatsoratra mitanisa ny herisetra maro ataon'ireo menavazan'ny ady tany Iràka sy Afghanistan.

2007-10-03

Governance ,
War & Conflict

Hoy ny mpiblaogy Chris Weignat ao amin'ny blaoginy:

enough attention is not being paid to what happens after we rain death from the skies down on Iran. Which is a shame, because that's what we ignored during the ramp-up to war with Iraq.

“Tsy ampy mihitsy ny fisainana sy fieritreretana momba ny mety hitranga aorian'ny famonon'olona vary raraka vokatrin'ny zera-baomba toy ny oram-baratra kasaina atao eo amin'ny IRAN. Henatra sy heloka bevava izany, satria efa izany no nodiantsika tsy hita tamin'ny fanafihana lavareny tany IRAQ.”