· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Iràka tamin'ny Desambra, 2008

George Bush sy Iràka: Ilay Toraka Kiraro

  17 Desambra 2008

Ho fotoana iray manandanja amin'ny tantara izy ity? Ho avy ve ny andro na ny taona hitantaranao fa izaho, Montather Al-Zeidi, mpanao gazety Irakiana, dia hitantara amin'ny zafikeliko fa efa notorahiko ny kiraroko ny filohan'i Etazonia? Ho ahy moa dia nandeha nampatory ny zanako aho ny nikiry niantso ahy ny raiko fa tokony hamelona ny fahitalavitra avy hatrany aho. Saiky sahalahala amin'izany avokoa ny soratra voalohany nataon'ny mpamaham-bolongana Irakiana indray, rehefa natoritory am-bolana vitsivitsy izay, mba hilazany ny heviny fotsiny.

Iràka: Tsy Amin'ny Eid na Fotoana Hafa Manokana Mihitsy ny Saina

  11 Desambra 2008

Eo ampanamarihana ny Eid Al Adha, amin'izao fotoana izao ny Miozolomana manerantany, fetim-pivavahana izay manamarika ny faneken'i Abrahama hanao sorona ny zanany (naotin'ny mpandika teny malagasy: Ismaela io ho an'ny Silamo fa Isàka kosa ho an'ny Jiosy sy ny Kristiana) sy ny famaranana ny fivahiniana masina atao any Lameka (...

Ezypta: Antso ho fahatsiarovana an'i Saddam Hussein

  10 Desambra 2008

Amin'izao tsingerintaona faharoa namonoana ny filoha Irakiana teo aloha Saddam Hussein izao, ary noho ny fiaraha-mientan'ny fiaraha-monina Irakiana any Kairo, dia niantso hanao hahatsiarovana ny Filoha irakiana teo aloha ny antoko politika dimy any Ezypta. Taorian'ny nanatsongana lahatsoratra tao amin'ny Gazety Al Youm 7, no nanoratra ny Ezypsiana iray: Believe...