The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Iraq Sokajy ara-tany

RSS ho an ny Iraq

2008-09-06

Freedom of Speech ,
Cyber-Activism

“Nihoatra ny 50 ny fikasana hipiraty azy tao anatin'ny 30 mn, nihoatra ny 50 ny fikasana hipiraty ity bolongana ity. Izany no nitranga tao anatin'ny 4 andro izay raha nanodidina ny 3 isan'andro teo ho eo. Izany hoe mahatratra 150 ny fiezahana hipiraty azy isan'andro. Hmmmm….Te-hahafantatra izay antony aho,” hoy ny fanontaniana'ilay mpamaham-bolongana Irakiana Layla Anwar.

2008-07-29

Disaster ,
Education

Chernobyl and Eastern Europe no nanoratra fa “Mpampianatra 3 avy any Texas sy mpianatra Irakiana 27 no manao fanazarantena amin'ny fomba fanadiovana manala sisantaratra mampididoza” nandritra ny volana jona lasa teo tany Pripyat (Ukraine): “Eny, zavatra mahaliana azo atao amin'i Pripyat - ny fanazarana ny Irakiana  ny tekinikam-panadiovana ny tanàna izay tsy vitan'ny mpitondra tanteraka nandritra ny 23 taona lasa izao. Fa raha tsy izany, efa hitan'ny Irakiana aloha hoe ahoana moa no mety hahazo ny tanànany aoriana kely ao [raha tsy ampy ny fitandremana].”

2008-06-16

Irak : Mainty - Lokon'ny hirifiry

Efa zatra mitondra fitafiana mainty ny vehivavy Irakianina amin'izao - lokon'ny alahelo sy fisaonana hoy ny voalazan'ny Inside Iraq. Misy ihany nefa eny anivon'ny haizina eny vehivavy milaza fa manao fitafiana volon-tany, maitso na mavokely mihitsy aza ! Araka ny voalazan'i Correpsondent Jenan dia : Black is the favorite color for ...

2008-04-25

Kristiana any Iraka

Taorian'ny famonoana ny Eveka Kristiana tany Mossoul, Frencheagle [voromahery Frantsay] izay Frantsay sady Libaney dia mizara ny fanahiany mikasika ny toe-draharaha iainan'ny Kristiana any Iraka : [...] l’assassinat de l’évêque chaldéen de Mossoul amène au devant de la scène les difficultés rencontrées par une communauté chrétienne d’Irak, aujourd’hui estimée à 200 ...

2008-04-20

SIDA – Zava-pady sy mahamenatra ho an’i Arabo

Ny SIDA, syndrome immunodéficitaire acquis mahafaty, dia tsy firesaka any amin'ny tontolo Arabo. Saika ity teny mampivarahontsana ity anefa no novoizin'ireo blaogy maro tamin'ity herinandro ity – avy any Jordana, Iraka, Palestina, Bahran sy Yemena. Hareega, jordaniana mpitoraka blaogy, izay mpitsabo no anton'asany, dia mitatitra 'resaka manafintohina nifanaovany tamin'olom-pantany iray momba ...

2008-04-18

War & Conflict

“Mitohy ny ady eo amin'ny andian-jiolahy (fomba filazany azy io raha mpiady anaty akato kosa amin'ny fiteny hafa) sy ny fanjakana, ary mbola ho ela no ahataperan'izany. Mitohy ihany koa ny filazana ampahibemaso avy amin'ny andaniny sy ny ankilany nefa tsy misy mampanantena vahaolana diplaomatika amin'ity raharaha ity hamahana ny olana,” izany no tatitry Iraq the Model, momba ny toe-draharaha miseho farany any an-tanindrazany.

2008-04-09

Iraka:Fotoana iray manan-tantara

Ady ao Basra… tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina any Bagdad… fanafihana an’habakabaka any amin’ireo tanan-dehibe… avy eo fampitsaharana poa-basy… fa inona no mitranga eto an-tany e? Tatitra iray tamin’ny BBC no nilaza fa zava-poana ny hetsika natao tany Basra – maro no azonao andikana (hamenoana) azy araka izay tianao. Ary ...

2008-04-02

Sport

Miarahaba ny ekipam-pirenen’i Qatar amin’ny baolina fandaka i Saddavi ao amin’ny Qatar Living tamin’ny nahazoany isa telo voalohany amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka erantany izay hotontosaina any Afrika Atsimo 2010 (Fifa World Cup), raha nandresy ny tompondakan’i Azia Iràka tami’ny isa 2-0.

2008-03-26

Irak tao anaty dimy taona: Nihetsika izao tontolo izao

Anio, 19 mars, no manamarika ny fahadimy taonan'ny "Ezaka ho fanafàhana an'i Irak". "Tany amboalohany dia tetika nentina handrodànana an'i Saddam Hussein sy " hamàrana ny ady tsy mbola miantomboka" mbola mitohy hatramin'izao ny ady ao Irakl, mampivarahontsana ny olon-tsotra maro maneran-tany. Anatin'ity lalan-dra ity, Global Voices Online ...

2008-03-20

Development ,
History

“Raha tianao ho fantatra ny ho avin'ny fiainan-janak'olombelona, dia aza ny toerana vaovao no todihanao. Jereo ny toerana antitra na efa niainan'ny olona hatry ny ela: Toerana izay efa nisiana mpitondra maro sy fanjakana matanjaka nifandimby na nifampisolosolo nihanahery sy nidaboka anarivony taona izao, toerana kely nifampisonana nefa namelona vahoaka anarivo arivony nandritra ny taonarivo maro. Jereo i Egypta. Jereo i Iràka,” hoy i Elijah Zarwan izay manoratra avy any Egypt.