2009-08-14
iran:twitter sy facebook notsaraina
Omaly, niditra tamin'ny fihodinana faharoa tamin'ny fitsarana ireo mpanohitra sy mpanao politika refôrmista [mpitaky fiovana] ny manampahefana iraniana. Tamin'ireo voapanga tamin'ity andiany ity dia nahitàna vehivavy frantsay iray 24 taona, Clotilde Reiss, nampangaina ho nanao asa fitsikilovana. Saiky ny ankamaroan'ireo voapanga no voatondro ho nitarika ny olona hikomy sy manohitohina ...
2009-08-02
Iran: Horaka “Ho lavenona i Rosia” nandritra ny vavaka zoma
Nandritra ny vavaka zoma ny 17 jolay lasa teo izay natao tao amin'ny anjerimanontolon'i Téhéran dia nangataka ny hamotsorana ireo mpanao fihetsiketsehana marobe nosamborina tany Iran taorian'ny fifidianana filoham-pirenena ny 12 jona lasa teo ny filoha teo aloha Ali Akbar Hashemi. Fifidianana nahalany an'i Mahmoud Ahmadinejad.
Manohana tsy misy fepetra an'ilay ...
2009-07-31
Hetsik'ireo mponina eran-tany ho an’Irana
Tamin’ny Sabotsy 25 Jolay 2009, ireo Iranianina sy ireo tsy tsy Iranianina dia nivondrona ao anatin’ny United4Iran ary nandray anjara amin’ny hetsika fanohanana ny fitakian’ireo Iranianina ho amin’ny fahalalahana sy ny zon’olombelona.
Sary sy horonan-tsary maro momba ireo fotoana ireo no nampakarina anaty aterineto.
Hamburg/Germany:
Washington/U.S.
London/UK
Ny hetsika teo alohan’ny Ambasadin’ny Repoblikia Islamika ...
2009-07-18
Irana: Horonantsary amin'ny aterineto mampita hafatra ho an'i Joe Biden
Eo amin'ny Iraniana, Amerikana sy Iranana-Amerikana 100 eo no nandefa hafatra manokana fohy tao amin'ny YouTube mba hanohanana ny hetsiky ny mpanohitra Iraniana izay miantso ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona ho hosoka. Miantso an'i Joe Biden, filoha lefitra Amerikana, sy ny governemanta Amerikana tsy hankatoa ny governemanta Iraniana ...
2009-07-15
Iran: Mitohy indray ny fanoherana ny Fanjakana Islamista

Ny alakamisy lasa teo dia nihorakoraka tao Téhéran ny mpanao fihetsiketsehana anarivony nanao hoe: "aoka izay ny didy jadona" sy ny hoe "lehibe Andriamanitra", mihantsy ny fanambarana navoakan'ny fitondrana fa tsy azo ekena ny fihetsiketsehana manodidina ny voka-pifidianana filoham-pirenena natao ny 12 jona lasa teo.
Natao hahatsiarovana ny fahafolo taonan'ny fihetsiketsehana ...
2009-07-14
Iran : Hetsi-panoherana maitso, am-pilaminana an-tsary
Mpanohitra maro manerana an'i ’Iran no nanohy ny fanehoan-kery nataon'izy ireo ho fanoherana ny vokatry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin’ny 12 Jona, izay nanambarana fa i Mahmoud Ahmadinejad no nandresy. Ireo mpomba ny mpifaninana amin’i Ahmadinejad, Mir Hussein Mousavi, ary ireo Iranianina maro izay nino ny amin’ny hisian'ny “fiovana” dia manohy ...
2009-07-13
Irana:Ampahan-tsarimihetsika maro nalain'olon-tsotra momba ny hetsi-panoherana
More than 100,000 people marched in Tehran on Monday in support of reformist presidential candidate, Mir Hussein Mousavi and his demands for an annulment of the election results that declared incumbent President Mahmoud Ahmadinejad the winner of the election on June 12. The march ended in bloodshed. At least 7 people lost their lives.
2009-06-25
Tontolo Arabo: Aleo hanao izay tiany eo ny Iraniana
Nitana ny votoatin'ny bilaogy arabo efa ho herinandro izao ny fifidianana filoham-pirenena sy ny vokany natao tany Iran, miaraka amin'ny fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka bilaogy eny rehetra eny.
Mangataka an'izao tontolo izao i Harrega mpitoraka bilaogy jordaniana hiala mandritra ny famahanan'ny Iraniana samy irery ny aferany:
Nifidy ry zareo, na marina io fifidianana io ...
2009-06-17
2009-06-12
Iran: Hifidy sa tsy hifidy
Iray amin'ireo resaka mandeha mandritry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena iraniana ny hoe 'hifidy sa tsy hifidy'. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia ny hoe handray anjara amin'ny fifidianana sa hanao ankivy azy io. Na dia vondrona mpanohitra maro aza no niantso fibodoana ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 12 Jona ...




