· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Desambra, 2012

Iraniana-Amerikana Mitady Olona Be Herim-po Hanavotra Aina

  26 Desambra 2012

Mitady olona be herim-po ny mpiserasera Iraniana. Tsy ho amin'ny revolisiona na ady, fa mba hanavotr'aina. Nasim, tanora vehivavy Iraniana avy ao Avaratr'i Kalifornia no mila taova tsokan-taolana (moelle osseuse) atao grefy. Nanafaingana ny hetsika ireo Iraniana malaza marobe mba hanampy amin'ny fanaparitahana ny hafatra ho fanavotana azy. Nampiasa ny tambajotra...

Hetsika “Voafonja Ny Latsabatoko” Hanohanana Ireo Mpitarika Ny Mpanohitra Ao Iran

  23 Desambra 2012

Naraha-maso akaiky nandritra ny 650 andro ireo mpirotsaka amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena teo aloha sy lehiben'ny Hetsika Maitso, Mir-Hossein Mousavi, sy Mehdi Karroubi, miaraka amin'ny vadin'i Mousavi, Zahra Rahnavard. Nitodika tany amin'ny media sosialy ny vondronà Iraniana mpampiasa aterineto mba hanairana sy hanosehana ny famoahana an'ireo voafonja noho ny fanehoan-kevitra ireo.

Graffiti ao Téhéran

  10 Desambra 2012

Tsy mba malaza amin'ny fahalalahana maneho hevitra i Iran na amin'ny fihetsiketseham-bahoaka eny an-kalamanjàna. Saingy manjaka ao kosa ny zavakanto an-tanàn-dehibe; raha mandravaka ireo rindrin'ny tanàn-dehibe sasany ny sary natao mivantana tamin'ny rindrina, kanto avy amin'ny fanambatambarana poti-bato (mozaika) ary ny hosodoko hafa ‘nekena’ (nahazo alalana) na dia tsy miharohary...