· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Novambra, 2012

Iran: Eritreritra Momba An'i Gaza sy Isiraely

  30 Novambra 2012

Nalefan'i Peyman Majidzadeh voalohany tao amin'ny Arseh Sevom ny lahatsoratra Ady inona izany? Ny fanohanana ny Palestiniana no politika ivelany laharam-pahamehana ho an'i Iran araka ny filazan'ny mpitondratenin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Iraniana, Ramin Mehmanparast. Nilaza izy fa andraikitry ny firenena Islamika no manohana ireo Palestiniana ao Gaza ary manolotra fanampiana maha-olona. Lehiben'ny Hezbollah, Hassan Nasrollah...

Mibilaogy Amin'ny Anaran'i Hamid

GV Mpisolovava  20 Novambra 2012

  Efa ela i Antonella no tsy nibilaogy. Tamin'ny 25 Aprily 2012 izy no nibilaogy farany, toy izao no nosoratany tamin'izany: “Ry namana Hamid, Isan'andro no ahitako ny halehibiazan'ny fo, tahaka ny fitazanan-toerandavitra vaovao eny amin'ny faravodilanitra, izay mifamahofaho lavitra sy haingana eny ny alahelo, ny fanantenana, ny famelàna, ny...

Mihozongozona Ny Fitondrana Ao Iran Mialoha Ny Fifidianana Ho Filoham-pirenena

  20 Novambra 2012

Vao haingana izao dia nolavin'ny fitsarana ao Iran ny fahafahan'ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad mitsidika ny iray amin'ireo fonja malaza indrindra ao amin'ny firenena. Midika ve io fanapahan-kevitra io fa efa mihen-danja ny fahefan'ilay Filoha an-dalam-panaperana ny fotoam-piasany, volana vitsy aty alohan'ny fifidianana amin'ny taona ho avy?

Nampijaliana ho Faty Ilay Bilaogera Iraniana Sattar Beheshti

  13 Novambra 2012

Nanangana tadio an-tserasera [fa] goavana ny mpiserasera Iraniana taorian'ny nandrenesana ny vaovao nahafatesana bilaogera iray tao amin'ny toera-pamotorana nivoaka voalohany [fa] tany amin'ny Habaky ny mpanohitra. Araka ny tafatafa nifanaovana tamin'ny fianakavian'i Sattar Beheshti sy ny tatitra tao amin'ny habaky ny mpandala ny zon'olombelona, nosamborina izy ny 28 Oktobra 2012 ary nolazaina fa maty rehefa...

Iran: Famoretana Ireo Bilaogera Iraniana

  11 Novambra 2012

Miatrika famoretana mamaivay indray ny bilaogera Iraniana, efa maro tamin'ireo bilaogera no niditra am-ponja, ary tamina trangan-javatra miavaka, novonoin'ireo mpitandro ny filaminana ny vadina bilaogera iray. Toa hita fa mitombo ny herisetra fanaon'ny fitondrana. Atahorana ny aina Tranokalam-baovao maromaro no nitatitra [fa] fa atahorana ny ain'ilay bilaogera any am-ponja, Hossein Ronaghi Maleki....

Famaizana an'i Iran: Iza No Nangalatra Ny Fanafodiko?

  05 Novambra 2012

Tena ratsy fiantraika amin'ny ain'ireo marary 6 tapitrisa ao Iran ny tsy fahampian'ny fanafody, fiantraika mivantan'ny famaizana tsy mbola nisy toa azy mihatra aminy.Ireo mararin'ny homamiadana sy ny "sclérose en plaques" - izay tsyafaka hanajanona na hanemotra ny famatsiana azy ara-pitsaboana.