· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Oktobra, 2012

Mitokona ny Bazary ao Téhéran ho fanoherana ny fitontongan'ny vola Iraniana

  07 Oktobra 2012

Nitatitra ny Baztab, tranonkala ao Iran, fa nanomboka nitokona ny Bazary ao Téhéran tamin'ny Alarobia 3 Oktobra 2012 lasa teo, naneho ny fanoherany ny fitontongan'ny volam-pirenena ireo mpivarotra sy ny botika. Nahatratra ny taha farany ambany indrindra ny vola rial iraniana manoloana ny dolara Amerikana, izay sambany teo amin'ny tantarany, eo amin'ny 34.000 dolara...

Iran: “Avelao Any I Syria, Mba jereo Ny Aminay”

  06 Oktobra 2012

Tsy nisy tranombarotra nivoha tany amin'ny Tsenaben'i Teheran ny Alakamisy 4 Oktobra 2012, andro iray taorian'ny nanaovan'ireo mpitàna tranom-barotra sy ireo mpivarotra fitokonana hanoheran'izy ireo ny fitotongan'ny sandam-bolam-pirenena tato ho ato ny Alarobia. Namoaka lahatsary maro mikasika ireo fitokonana tamin'ny Alarobia; ny fisian'ireo mpitandro filaminana tany amin'ireo faritry ny tsenabe, sy ireo tranom-barotra nihidy ireo Iraniana mpampiasa aterineto.

Iran: Voasaritaka Ny Olon'ny Filoha Ahmadinejad

  01 Oktobra 2012

Nandritra ny fotoana nikabarian'ny filoha Ahmadinejad teo anoloan'ny Firenena Mikambana, nosamborina tany Iran ny mpiandraikitra ny fifandraisana amin'ny mpanao gazety ary nisy nanasaritaka ny mpitondra tenin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny.