· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Aogositra, 2012

Iran, Israely: ‘Tsy Vonona Ny Ho Faty Amin'izay Adinareo’

  17 Aogositra 2012

Avy amin'ny lohateny lehiben'ireo fampahalalam-baovao mahazatra dia tahaka ny eo an-tokonan'ny ady i Iran sy Israely. Mitohy mandrahona hanafika ireo foto-drafitrasa nokleary iraniana ireo mpanao politika Israeliana, ary ireo manampahefana Iraniana kosa mitanisa ireo teny fanentanany hatrizay milaza ny "hanjavonan'i Israely eo amin'ny sarintany". Nefa arakaraky ny fitomboan'ireo sahoan-dresaka hisian'ny ady eo amin'ny roa tonta, no itomboan'ny hafanam-po mikatsaka fandriam-pahalemana ihany koa

Iran: Raha Mamono Ny Horohorontany, “Mivavaka Ny Fahitalavitra”

  12 Aogositra 2012

.Horohorontany roa mahery vaika no namely ny faritra avaratra andrefan'i Iran, ny faritany Azarbaijan atsinanana tamin'ny Sabotsy (11 Aogositra 2012), nahafaty olona 250 ary naharatràna manodidina ny 1.800. Nibosesika tao amin'ny aterineto ireo Iraniana mba hisaona ireo nafoy sy hiantso fanomezan-drà ary fanampiana. Naneho ny hatezerany ihany koa ry zareo tao amin'ny fahitalavi-pirenena Iraniana, izay nandefa fandaharana ara-pivavahana, raha tokony ho mba nandefa ho hitan'ny mpijery ireo vaovao mikasika ny horohorontany sy ny fomba azo atao hanampiana.

Iran : Nogadraina Ilay Mpitoraka Bilaogy Mpomba an’i Ahmadinejad

  10 Aogositra 2012

"Inona ary ity tontolo sy fitsarana misy antsika ity, nosamborina i Ahmad satria nanoratra sy nanohana ny filoham-pireneny." - Any am-ponja i Ahmad Shariat . Mpitoraka bilaogy mpomba an'i Ahmadinejad hafa ihany koa no nenjehan'ny biraon'ny mpampanoa lalàna noho ny fitsikeran'izy ireo ny mpiara-miasa amin'ny mpitarika fara-tampony, Ayatollah Ali Khamenei.