· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Jolay, 2012

Iran: “Raha Maty Misy Mamono i Bashar, Ny Fitondrana Iraniana Dia Hiantso Azy Ho Maritiora”

  20 Jolay 2012

Narahan'ireo Iraniana mpitoraka bilaogy hadrohadro ny fanehoan-keviny tamin'ilay fanafihan'ny Syriana mpanohitra tao Damaskaosy sy ny fanapoahana baomba izay nahafaty ireo tomponandraikitra ambony telo amin'ny fiarovana ny fitondran'ny Filoha Syriana Bashar Al Assad. Tsara ny fifandraisana eo amin'i Iran sy Syria ary dia nanàla azy tokoa ireo vahoaka amin'ny mety ho fiantraikan'ny fialàn'i Al Assad eo amin'ny fitondrana, taorian'ny 16 volana nisian'ny revolisiona mivaivay tao Syria.

Iran: Zazavavy Kely 13 Taona Ve No Atahoran'ny Fitondràna?

  17 Jolay 2012

Tsy ela akory izay dia niteraka fisavoritahan-tsaina ny fitsaràna iray momba ny filaminana tamin'ny nanakànany ny fivahinianana any ivelany ho an'ny zanaka vaviny 13 taona, Mehraveh Khandan sy ny vadin'i Nasrin Sotoudeh, mpisolovava mpiaro zon'olombelona mbola any amponja. Nasrin Stoudeh dia voaheloka hifonja 11 taona an-tranomaizina.

Iran: Iza No Afaka Hisambotra Akoho?

  16 Jolay 2012

Nisidina ambony lavitry ny 80% noho ny tamin'ny volana lasa ny vidin'ny akoho ary tahaka ny hidangana hatrany tsy ho takatry ny olona ny vidiny. Ireo mpiantsena dia mila mamoaka 70.000 rials (US $5.60) vao mahazo akoho iray kilao, manodidina ny avo telo heny amin'ny tamin'ny taona lasa.