· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Marsa, 2012

Avy Amin'ny Iraniana Ho An'ny Israeliana: “Namanareo Izahay”

  21 Marsa 2012

Ilay pejy Facebook fanentanana avy amin'ny Israeliana miteny amin'ireo Iraniana hoe "Tsy handaroka baomba velively ny firenenareo izahay. Tianay ianareo" dia nahazo valiny avy amin-dry zareo Iraniana amina endrika fifandraisana fifanentanana ao amin'ny Facebook izay miteny amin-dry zareo Israeliana hoe, "Namanareo izahay."

Taratasim-pitiavana Avy Amin'i Israely Ho An'i Iran

  18 Marsa 2012

Tahaka ny nofinofy izany hoe hafatra mifono fitiavana avy amin'ireo Israeliana ho an'ny Iraniana izany, tanatin'ireo taona maro nifandrahonan'ny governemanta Iraniana sy Israeliana tsy nisy fiatoana. Saingy mahita ohatra amin'izany isika ao amaty fanentanana iray vaovao ao amin'ny Facebook.

Iran: Taombaovao Nowruz Tsy Misy Trondro Mena?

  17 Marsa 2012

Fanamarihana: Trondro mena no ahafantarantsika ny trondro (gasy) mitovitovy aminy antsoina hoe “trondro volamena” raha adika avy amin'ny teny anglisy. Manana ny toerany manokana eo amin'ny taombaovao Iraniana ankalazaina ny andro voalohany amin'ny lohataona (20 marsa) antsoina hoe, Nowruz, ny trondro mena. Saingy isan-taona dia manao fanentanana mandrisika ny mponina tsy...

Iran: Hatezeran'ireo Mpanao Sariitatra Amin'i Khatami Noho Ny Nandehanany Nifidy

  09 Marsa 2012

Mohammad Khatami, ilay filoha teo aloha, mpandàla fiovana tao Iran dia nandatsa-bato tamin'ny fifidianana ny ho parlemantera tamin'ny Zoma 2 Martsa 2012, niverina tamin'ny teny nomeny fa hoe handà tsy hifidy izy mandra-pamotsotra ireo gadra politika ary hajaina ny lalam-panorenana. Ny fihetsika nataony dia niteraka hatezerana mafy tamin'ireo mpandàla fiovàna nankasitraka ny hibodoana ny fifidianana.

Iran: Lavin'ireo Vehivavy Ny Rakakaben'ny Ady

  09 Marsa 2012

Ny fitondrana Islamika Iraniana dia nanao tsinontsinona ny Andro Manerantany Natao Ho An'ny Vehivavy efa nandritra ny ho telopolo taona mahery. Tsy mampihatra ny 8 Martsa io firenena io, ary mandràra mihitsy ireo fikambanam-behivavy aza mba tsy hankalaza izany andro izany. Saingy isan-taona ireo vehivavy Iraniana, na izany eo amin'ny fiainana andavanandro, na any anatin'ny tontolo virtoaly dia manohy mankalaza ihany.

Nohatsarain'ny Fampahalalam-Baovao Iraniana Ny Kabary Nataon'i Asghar Farhadi Nahazo Oscar

Dibo-kafaliana tanteraka ny Iraniana raha vao nahafantatra fa ilay horonantsary mihetsika  “A Separation” (Fisarahana Iray) nolalaovin'i Asghar Farhadi no nandrombaka ny loka Oscar amin'ny horonan-tsarimihetsika amin'ny teny vahiny mendrika indrindra nandritra ny Academy Awards (Loka Akademia) tao Hollywood tamin'ny 26 Febroary 2012. Sambany ny horonan-tsarimihetsika Iraniana no nahazo Oscar. Nandray anjara tamin'ny fanapariahana ny fankalazana...

Iran: “Tokony mbola hifidy indray ve isika?”

  02 Marsa 2012

Ny Zoma 2 Martsa 2012 izao ny Repoblika Ismalika dia miomana ho aminà fifidianana parlemantera (Majlis). Raha betsaka ireo vondron'ny mpanohitra no miantso fibodoana an'ilay fifidianana, ny fanjakana Iraniana kosa mampiasa ny fampielezan-kevitra fankahalàna ny Tandrefana mba hisarihana ny olona handeha handatsa-bato.