· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Oktobra, 2011

Iran: Matahora Ry Mpanao Didijadona – Maty i Gaddafi

  21 Oktobra 2011

Maro koa ny mpamaham-bolongana Iraniana no niara-paly tamin'ny Libyana tamin'ny alakamisy, rehefa maty novonoina ilay mpitondra jadona Libyana nandritra ny fotoana maharitra Moammar Gaddafi. Maniry ny hamaranana ny fitondrana jadona any Iran ny mpamaham-bolongana sasany, raha mifampizara fifaliana amin'ny Libyana noho ny nanafahana firenena iray ry zareo.

Iran: “Manoatra Noho Ny Tantara Foronina” Izany Fikasana Hamono ny Ambasadaoro Saodiana Izany

Nahasarika ny takelaka voalohany amin'ny vohikala sy ny Gazety Manerantany ny Fiampangana ny Iraniana ho mikasa hamono ny Ambasadaoron'i Arabia Saodita any Etazonia. Nanambara ny fiampangana Iraniana roa nanakarama izay heveriny ho avy amin'ny andian-jiolahy meksikana hamono ny Ambasadaoro Saodiana Departemantam-panjakana Amerikana misahana ny Fitsarana. Mitsipaka izany fiampangana izany i Iran. Misara-kevitra mandrakariva amin'ity tantara "manoatra noho ny tantara foronina" ity ny hevitry ny mpamaham-bolongana Iraniana.