· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Aogositra, 2011

Iran: Mpitoraka Bilaogy Nafahana Taorian'ny 25 Andro Nitokonana Tsy Nihinan-kanina

  31 Aogositra 2011

Navoaka ny fonja rehefa nandoa onitra ny Alahady teo ny Dr. Mehdi Khazali, mpitoraka bilaogy, tonian-dahatsoratra sy zanakalahina mpitarika fivavahana mpitahiry ny nentin-drazana sady mpikambana tao anatin'ny Filankevitr'ireo Mpiambina ny Ayatollah Khazali, taorian'ny 25 andro fitokonana tsy hihinan-kanina. Nanandratra ny feony tamin'ny governemanta Iraniana ilay mpitoraka bilaogy nandritra ireo roa taona lasa

Iran : Mehdi Khazali noafahana taorian'ny fitokonany tsy hihinan-kanina nandritra ny 25 andro

GV Mpisolovava  21 Aogositra 2011

Dr. Mehdi Khazali, bilaogera sady mpamoaka lahatsoratra, zanaka mpitondra fivavahana lehiben'antoko farany havanana sy mpikambana taloha tao amin'ny Filankevitry ny Mpiandry, Ayatollah Khazali, no noafahana tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra ny Alahady 14 aogositra 2011 lasa teo, taorian’ ny fitokonana tsy hihinan-kanina nandritra ny 25 andro. Niaka-peo tamin'ny governemanta iraniana izy tao...

Iran: Nitarika Fisamborana Ny Ady Fifampitorahan-drano Tany Teheran

  09 Aogositra 2011

Ny rehetra dia mahafantatra fa tsy tokony hilalao afo. Any Tehran, dia toa, na ny milalao rano aza dia mety hiteraka olana. Farafaharatsiny dia 'lesona' azon'ireo tanora Iraniana izany rehefa nosamborin'ireo mpitandro filamianana izy ireo ny herinandro lasa teo noho ny fandraisan'izy ireo anjara taminà lalaon'ny ady fifampitorahan-drano teny amin'ny arabe.