· Marsa, 2010

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Marsa, 2010

Iran: Mitohy ny fisamborana mpitoraka blaogy hafa

  28 Marsa 2010

Fitohitohizana fisamborana mpitoraka blaogy hafa indray no notaterina tany Iran nefa tsy dia mazava loatra ny antsipiriany. Samy nosamborina na ny mpitarika vondrona iray manohatra sivana, antsoina hoe Iran Proxy, na ny mpanangana ny fampiantranoana blaogy Persiana.

Dubai: Fahatsiarovana ny mpitoraka blaogy Iraniana Omid Reza Mirsayafi

  23 Marsa 2010

Teo amin'ny tanora 40 avy any amin'ny tendron-tany efatra no niaraka tao amina "cafe" iray any Dubai ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny nahafatesan'ilay mpitoraka blaogy Iraniana Omid Reza Mirsayafi, mpitoraka blaogy voalohany maty tany am-ponja. Nandray anjara tamin'ny alalana zava-kanto teny amin'ny kianjan'ny Hetsika 18 Marsa, OR318, ihany koa io fihaonana io.

Iran: Fahatsiarovana OR318 mpamaham-bolongana maty tany am-ponja

  12 Marsa 2010

Mihamanakaiky ny herintaona nahafaty ny mpamaham-bolongana sady mpanao gazety Omid Reza Mir Sayafi ary miomana fatratra ho amin'izany ny hetsika OR318, mampahafantatra tsy ny fahafatesan'i Omid tany am-ponja ihany fa ny loza mihantona ho an'ny mpamaham-bolongana manapa-kevitra ny hanoratra ihany koa. Ao amin'ny vohikalany march18.org no anangonan'izy ireo soratra am-bolongana, lahatsary ary saripika miompana amin'ny...