· Mey, 2009

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Mey, 2009

Iran: ex-mpiambina revolisionera mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena mampiasa aterineto kely

  21 Mey 2009

Anisan'ny efatra tsara vintana nofantenan'ny filan-kevitry ny mpiambina revolisionera any Iran ny mpitarika revolisionera tany Iran teo aloha Mohsen Rezai hifaninana amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena hotontosaina ny 12 jona ho avy izao. Maivana ny fampielezankevitra an-tseraseran'i Rezai mitaha amin'ny an'ireo telo hafa mifaninana aminy, saingy vitany lisitra ao amin'ny vohikalany fanaovany propagandy ny anaran'ireo mpamaham-bolongana manohana azy.

Iran: Mitao amin'ny alalan'ny facebook ny mpanohana an'i karroubi amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena

  17 Mey 2009

Vao nitsahatra ny fandrarana ny Facebook tany Iran, saingy ankehitriny dia mampiasa azy ho fitaovana hanaingana ny filatsahany hofidiana ho filoham-pirenena ny mpanohana ny mpitondra tenin'ny antenimiera teo aloha, Mehdi Karroubi. Singa iray lehibe amin'ny fametrahana teti-panorona an-tserasera mandritra ny “fampielezan-kevitra 88″ ataon'i Karroubi ny Facebook. Lasa iray amin'ny mpanolotsainan'i...

Irana: ho fiarovana ireo Baha’i vitsy an'isa

  09 Mey 2009

Voatsindry hazo lena hatramin’izay ireo  Baha’i vitsy an'isa, ary hita ho toa miharatsy izany toe-javatra izany. Tsy ela akory izay  dia niampanga mpitarika fito tao amin’ny sampam-pitsikilovana Baha'i ny manampahefana Iraniana. Ireo Baha’i ihany no miteny fa anaovana antsojay izy ireo noho ny finoana arahany. Tamin'ny volana lasa iny dia...

Iran: Novonoina ho faty i “Voafonjan'ny loko”

  06 Mey 2009

Novonoin'ny fitondram-panjakana Iraniana tamin'ny Zoma maraina tamin'ny faha-23 taonany ny tovoavy 23 taona antsoina hoe Delara Darabi Delara Darabi , izay voaheloka ho namono olona tamin'ny faha-17 taonany ary notazonina nandritra ny taona maro tao amin'ny Fonjaben'i Rasht Central. Nahazo ny lazan'ny anarana ho “voafonjan'ny loko” i Delara noho ny...