· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Febroary, 2009

Iran: Voafonja ny mpianatra manohitra ny fandevenana ireo maty maritiora

  26 Febroary 2009

Mihoatra ny 70 ireo mpianatra avy ao amin’ny anjerimanontolo Amir Kabir tao Teheran no voasambotra androany, Talata 24 Febroary, rehefa nanao ny fihetsiketsehana manohitra ny famindrana razana maty maritiora tsy fantatra anarana tamin’ny adin’ny Iraka sy Iran izay alevina ao amin’ny toeran’ny anjerimanontolo. Jereo ny horonantsarin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny fihetsika voalohany ao amin'ny tontolon'ny bolongana (blogosphere)

Trano-kala Iranianina“Balatarin” dia Niverina indray eo amin'”ny seraseram-pifandraisana taorian'ny fangalaran'ny mpiraty azy

  24 Febroary 2009

Niverina indray eo amin’ny seraseram-pifandraisana ny trano-kala Iranianina “Balatarin” taorian’ny nanaovana hosoka azy ity. Balatarin, izay midika hoe “Ny avo indrindra” amin’ny teny Persiana, dia vondrin-tserasera an-trano-kala iranianina malaza indrindra izay nisy nanao hosoka [en] tamin’ny 3 frebroary 2009. Nanao ny fanambarana ny mpampiasa ny filazam-baovao sy ny fifandraisana ao amin’ny ity trano-kala ity ary ny vondrona mpifidy mba hampisy vokatra avo indrindra ao anaty listra. Ity trano-kala ity dia efa notarafina (nofilitrena) tao amin’ny aterineto tany Iran nanomboka tamin’ny taona 2007.

Afganistana : Fonja, Fahantrana ary Pôlitika

  24 Febroary 2009

Raha nanambara ny mpitantana miaraka amin'i Obama fa hanampy miaramila 17 000 any Afganostana hanampy ireo efa any an-toerana dia miresaka mikasika ny fanamby miandry an'i Afganistana tahaka ny hoe fanagadrana vehivavy, ny fahantrana sy ny pôlitika ny mpitoraka bilaogy. Baktash Siawash, mpanao gazety ao amin'ny toby ao Kabul sady...

Iran : mahatsiaro ny faha 30 taonan'ny Revôlisiona ny mpamaham-bolongana

  17 Febroary 2009

Iraniana aman'arivony maro no nankalaza ny tsingerin-taona faha 30 ny Revôlisiona Iraniana ny 10 febroary lasa teo tamin'ny alalan'ny fihaonam-be natao tany Tehran sy ireo tanàn-dehibe maro manerana an'i Iran.  Nikabary nandritra izany fankalazana izany ny filoham-pirenena Mahmoud Ahmadinejad. Nambarany ny fahombiazan'i Iran ara nolazainy fa ny mahery indrindra ry...