· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Jolay, 2008

Iran : Nifarana tany amonja ny diam-panoherana nataona mpitondra fivavahana

  31 Jolay 2008

Mpitondra fivavahana Iraniana antsoina hoe Ali Reza Jahanshahi no nosamborina tapabolana lasa izay, rehefa nanomboka ny diam-panoherana 960 kilometatra (590 maily) avy any an-tanna atsimon’i Iran Sirjan ho any Teheran. Notoherin’ilay mpitondra fivavahana manko ny kolikolim-pakana tany tao Sirjan ary nitarainany ny fitondrana mahefa ho tsy miraika loatra amin’ity raharaha ity. Nosamborina i Jahnashahi raha vao nahavita 30 kilometatra akaikin’ny tanànan’i Abadeh.

Iran: Mirahalahy miady amin'ny SIDA nosamborina

  27 Jolay 2008

Saffron Sky no nanoratra fa mpikaroka mirahalahy (Dr. Kamiar sy Dr. Arash Alaei), izay fanta-dtaza iraisam-pirenena noho ny asany amin'ny ady amin'ny VIH/SIDA any Iran, no nogadrain'ny fitondrana Iraniana nandritra ny iray volana.

Iran: Toerana maro noraisina ho vakoka iraisam-pirenena

  12 Jolay 2008

Blogian no miresadresaka amintsika ny fampidirana ny monasitera Armeniana 3 any Iran ho ao anaty ny lisitry ny vakoka iraisam-pirenena alahatry ny  UNESCO. Raha nahafaly ny mpamaham-bolongana izany hetsika izany, dia nahasosotra azy kosa ny tsy nihetsehan'ny UNESCO raha nisy vohitra Armeniana any ankodahodan'i Azerbaijan any Nakhichevan rava.

Iran: Tsy mandainga ny sary

  12 Jolay 2008

Nasongadin'i Kamnagir, mpamaham-bolongana  Iraniana, fa sary nalaina nandritra ny fanandramana tahaka ity 2 taona lasa izay ny sary navoaka lazaina ho fanandramana fandefasana balafomanga notontosaina vao teo iny. Raha te-hamaky bebe kokoa ianao dia vakio ao amin'nyView From Iran (fijery avy aty iran) sy New Yrok Times blog.

Iran : Homelohina ho faty noho ny blaogy ?

  05 Jolay 2008

Tamin'ny Alarobia teo dia nanaiky ny parlemanta iraniana ny hiadiana hevitra mikasika ny volavolan-dalana izay “hanamafy kokoa ny sazy ho an'izay manohitohina ny filaminan-tsaina eo amin'ny fiaraha-monina”. Araka io volavolan-dalana io moa dia ho atao isan'ireo heloka mety hampiarana ny fanamelohana ho faty ny “fanaovana tranokala na blaogy manindraindra ny...

Israely : Tsy homeko voanjo intsony ianao !

  02 Jolay 2008

Shalom Rav no manala sarona ao amin'ny Jewschool [sekoly Jiosy] fa Israely hono no firenena fatra-pihinana voanjo indrindra eran-tany, misy anefa tatitra nivoaka vao tsy ela manambara fa mety ho fanondranana voanjo an-tsokosoko avy any Iran no foto-pamatsiana voalohany izany tsena goavana any Israely izany : Anyone with even a passing knowledge of Israeli...