· Avrily, 2008

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Avrily, 2008

Isiraely: Figadran'ny lehiben'ny polisy Iraniana

  18 Avrily 2008

“Mety ho tsaroanareo angamba ny amin'ilay lehiben'ny polisy Iraniana ary ampita ary izay tratra niboridana niaraka tamina makorenila enina tany an-tranondopy.Ie, ankehitriny toa re fa mbola hiray efitra amina olona enina miboridana ihany izy io, fa izy io aloha any amin'ny efitra fandroan'ny gadra lehilahy e,” dia izany ary ny...

Iran: tsy handalo any Iran ny afo olaimpika

  13 Avrily 2008

Nanoratra Razeno [Fa] fa raha hitety firenena maro ny afo olaimpika dia anaty lisitra kosa ny handalovany any Iran. Nampian'ny mpamaham-bolongana moa fa mandalo ao Pakistan izay itrangana herisetra maro ny afo olaimpika. Malahelo tokoa Razeno amin'ny fanaovan'izao tontolo izao ankivy an'i Iran.

Iran: Nisy baomba nipoaka tao amin'ny môskea

  13 Avrily 2008

Nisy baomba nipoaka tao amin'ny môskea iray nandritra ny fotoam-pivavahana Asabotsy tao an-tanànan'i Shiraz atsimon'i Iran,Olona valo farafahakeliny no maty tamin'izany ary 66 no naratra. Sayetanha,mpamaham-bolongana avy ao Shiraz, no niteny[Fa] fa maro no maty fa tsy voa kosa ny mpitondra fivavahana.

Iran: Sary tamin'ny fipoahana baomba

  13 Avrily 2008

Namoaka sary vitsivitsy tamin'ny (taoriana) fipoahana baomba tao amina moskea  iray tany atsimon'i Iran izay tao an-tanànan'i Shiraz ka nahafatesana olona 8 farafahakeliny i Erfan avy ao amin'io tanàna io ihany. Nilaza moa ny mpamaham-bolongana fa matahotra izy ny hampiseho ny fakantsariny hany ka tamin'ny findainy avokoa no nakany ny sary.

Iran: Miantso fihavaozana i Ahmadinejad

  09 Avrily 2008

Mahmoud Ahmadinejad, Filoha Iraniana, tamin'ny famahanam-bolongana farany nataony, no niteny [Fa] fa mila fanavaozana ny firenena ary tsy tokony afangarontsika ny fahakamoana sy ny fifikirana amim-pahalalàna ny nentim-paharazana.Niangavy ny olona izy tsy hatahotra ny fanavaozana.

Iran : Voasivana ny Vaovaon’ny Shia

  05 Avrily 2008

Lazain’i Bahraini [Fa] fa sivanin’ny mpitondra ny vohikalam-baovaon’ny Shia Iraniana ( foibem-pampahalalam-baovao ho an’ny shiita) nefa tsy misy manazava ny anton’izany. Ampian’ny mpamaham-bolongana moa fa nanapa-kevitra ny hampitsahatra ny asany ny mpitantana ny vohikala. Indreto misy saripikan’ny fotoampisokafan’ny Vaovaon’ny Shia.

Iran : Sarin’ny mpivarotena

  05 Avrily 2008

Mahatsiahy an’i Kaveh Golestan, ilay mpaka saripika Iraniana malaza indrindra, izay matin’ny vanja milevina tamin’ny 2003 tany Iràka teo amin’ny faha-51 taonany i Sibiltala. Tian’ny mpamaham-bolongana [Fa] ny saripikan’i Kaveh avy amin’ny mpivarotena Iraniana talohan’ny Revolisiona Islamika.

Iran : Tendrombohitra miezinezina

  01 Avrily 2008

Sangany amin'ireo blaogin-tsary Iraniana i Kosoof, manapariaka ny sarin'ny tendrombohitra miezinezina antsoina hoe Damavand : Mount Damāvand (Persian: دماوند ) also known as Donbavand, is a dormant volcano and the highest peak in Iran with a special place in the Persian mythology and folklore. “Ny tendrombohitra Damāvand (Persiana: دماوند )...