· Janoary, 2008

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Janoary, 2008

Iran: Mifanao bizina amin'i Syria sy Iran i Etazonia

 Indro omen'i Ali Mostofi ao amin'ny Iranian.com blog antsika ny rohy amina lahatsoratra iray mikasika ny fifampiraharahana ara-barotra misy eo amin'i Etazonia sy Iran ary Syria.Ampian'ny mpamaham-bolongana moa fa raha nitodika tao amin'ny toe-draharaha anatiny i Etazonia, fa tsy niherikerika ivelan'ny firenena, dia efa ela no nivaha ny olana momba ny Seyyeds[mpitondra fivavahana...

Iran: ivelan'ny Oniversite izay Bahai

  28 Janoary 2008

Shahrahsolh (midika hoe lalambe mankany amin'ny fiadanana), mpamaham-bolongana manaraka fivavahana Bahai, no manoratra fa[Fa] tsy avelan'ny governemanta  hianatra any amin'ny Oniversite izay mpianatra Bahai rehetra any Iran. Ampian'ny mpamaham-bolongana aza moa fa kendren'ny governemanta mihitsy izay haha-anjorom-bala kokoa hatrany izay Bahai any amin'ny fiaraha-monina any.

FreeAccess plus ! web 2.0 : ahafahana miala sivana

  17 Janoary 2008

Niainga tamin’ny asan’i Hamed Saber momba ny “Access Flickr” fiitaranasan’ny Firefox, nahafahana niala tamin’ny fanatantavanana ampiharina any Iran sy firenena hafa tena vitsy izay manampina ny Flickr, vohikala malaza amin’ny fifampizarana sary, no namoahan’i MohammadR ny “FreeAccess Plus!“, Fiitaranasa (extension) nosainina lalina mamadika ny Firefox ho proxy (solon’adiresy fanangonana fa...

Iran: Ny olo-masina Ahmadinejad

  16 Janoary 2008

Kamangir no mitantara fa, araka ny vaovao nampitain’ny vohikala vaovao iray any Iran, Aftab fa, “andro vitsivitsy lasa izay dia nilahatra tao amin’ny Lapan’ny Parlemanta ny mpikambana ao mba hiarahaba ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad. Ny sasany amin’ireo mpikambana parlemantera izay tsy mbola nahita azy hatramin’ny niverenany tamin’ny [Hajii pilgrimage]...

Iran : Ngolin'ny hatsiaka !

Misedra ririnina tena henjana i Iran amin'ity taona ity nohon'ny hatsiaka. Tanàna maro no voafandriky ny oram-panalà ary tsy latsaky ny valo ireo olona (efa) namoy ny ainy. Voasembatsembana aza hatramin'ny tolotra “gazy” [voan'ny delestazy-na gazy, satria zaraina isan-tokantrano toy ny rano ny an-dry zareo ny gazy] ary na dia firenena faharoa faran'izay manan-karena ara-gazy i Iran,...

Iran: Mpiandry revolisionera silamo sy i Hillary Clinton

  10 Janoary 2008

Haji Washington no manoratra [Fa], fa raha marina ny filazana fa nohantsian’ny mpiandry revolisionera iraniana tsy tamin’antony ny sambo mpiady amerikana dia tian-dry zalahy handresy an’i Obama izay i Clinton. Nolazain’ny mpamaham-bolongana ary fa raha nanaiky ny mahavondrona mpampihorohoro ny Mpiandry Revolisionera ramatoa tao amin’ny antenimeran-doholona, Obama kosa nitsikera an-dRtoa...