The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Iran Tahiry Firenena

RSS ho an i Iran

2009-11-05

Iran: Nihaika ny fitondrana indray ny Hetsika MaitsoVideo post

Nanomana fidinana an-dalambe ho fanoherana ny fiaraha-mientan'ny mpanohitra Hetsika Maitso ny faha-4 ny volana Novambra (faha-13 Aban), fa nanararaotra ny fihaonana nokarakarain'ny mpitondra fanjakana tamin'io andro io hanamarihana ny faha-30 taona nananihana ny Ambasadin'i Etazonia ao Teheran. Nahery vaika ny nandravan'ny mpitandro ny filaminana ity fihetsiketsehan'ny mpanohitra ity. Araka ny efa ...

2009-10-10

Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?

Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr

2009-09-24

Iran: Hetsi-panoherana an'i Ahmadinejad any New YorkVideo post

Miandry ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad izay nandeha nankany New York, hanatrika ny fivoriam-ben'ny Firenena Mikambana ny hetsi-panoherana ny governemanta Iraniana sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mitranga any Iran. Manentana ny olona handray anjara amin'ity fihetsiketseham-panoherana ity ny fampitam-baovaon'olo-tsotra. Mandra-piandry aloha dia nofoanan'ny New York Helmsley Hotel ny lanonana saiky ...

Iran: Kisarisary ahetsika manohitra jadonaVideo post

Maro ny haiendrika, afisy, hira sy lahatsarin-kira noforonin'ny Iraniana sy tsy Iraniana manerantany ho entiny manohana ny hetsi-panoherana "maitso" manohitra ny valim-pifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 jona. Nihantsy ady amin'ny fitondrana jadona any Iran koa ankehitriny ny mpahay kisarisary ahetsika. Avy amin'ny aingam-panahin'i Gandhi izany olona maitso izany Mahmoud Ahmadinejad nandritra ny adihevitra ...

2009-09-19

Iran: Lahatsarin'ny fihetsiketseham-panoherana nandritra ny andron'i QudsVideo post

Nitafy maitso ny mpanao fihetsiketsehana Iraniana ny 18 Septambra teo ho fanohanany ny mpanohitra, izay mbola nihantsy ny fitondrana Iraniana indray teny an'araben'i Teheran, Shiraz, Isfahan, ary tanàna maro hafa hanoheran'izy ireo ny jadona. Ataon'ny Repoblika Islamika amin'ny fomba ofisialy ho Andron'i Quds ( andro atokana ho fanohanana ny ...

2009-09-17

Iran: Miomana hihetsika mafimafy kokoa amin'ny andron'ny QudsSary postVideo post

Mbola mihaika ny fitondrana islamika amin'ny fomba maro samihafa ihany ny hetsi-panoherana ao Iran, hatramin'ny fiantsoana ‘Allaho Akbar' (Lehibe Andriamanitra) hatreny an-tampon-trano amin'ny alina (fifampiarahabana hatramin'ny fotoanan'ny fanoherana) mandra-pahatongan'ny fihetsiketsehana amin'ny Andron'i Quds (Jerosalema). Ny andron'i Quds, voambolana Arabo milaza an'i Jerosalema — dia hotontosaina ny 18 septambra amin'ity ...

Fifaninanana lahatsary “Democracy Now Challenge”Video post

Roa volana lasa izay no namoahanay ny tantaran' ireo nandresy tamin'ny fifaninanana "2009 Democracy Now Challenge" (haika ho amin'ny Demaokrasia izao) miaraka amin'ny lahatsariny tsirairay avy maneho ny dikan'ny Demaokrasia ho azy ireo. Ankehitriny moa dia mitsangatsangana mamakivaky an'i Etazonia mandritra ny roa volana mitsidika an'i Washington, New York ary ...

2009-08-26

Iran: Fijoroana vavolombelona amin'ny fampijaliana sy fanolananaVideo post

Notondroin'ny manam-pahaizana tsy miankina avy ao amin'ny Firenena Mikambana sy ny mpanohitra ho mampijaly ireo mpanao fihetsiketsehana nogadraina izay nanohitra ny vokam-pifidianana ny 12 jona lasa teo ny fanjakana iraniana. Medhi Karoubi mpitarika ny mpanohitra sady mpitondra tenin'ny parlemanta taloha no nanamarina fa mpigadra lahy sy vavy no iharan'ny ...