The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Egypt Sokajy ara-tany

RSS ho an ny Egypt

2008-05-29

Egypta : Fampijaliana azo ekena ihany

Zendana ny mpiblaogy Egyptiana Mostafa raha nahatsikaritra taorian'ny fanadihadiana notanterahiny anivon'ny mpiray dia ao amin'ny vohikala Facebook, fa misy ireo namany izay mihevitra fa azo ekena ihany ny fampijaliana atao ny olona iray, mba hanongotana an-tery izay tiana ho fantatra mandritra ny fampanoavana azy.

2008-05-07

Egypta : Ady amin'ny Facebook

Zenobia no mitatitra ao amin'ny blaoginy Egyptian Chronicles mikasika ny ady amin'ny Facebook any Egypta : The Facebook now is the official enemy of state.The blogs are no longer the danger on the State but it is the Facebook. Last week most if not all the official publications in the Arab Republic ...

2008-05-01

Egypta:rehefa mifangaro ny Finoana sy ny Pôlitika

Ao anatin’ity hafany eto ity i Zeinobia, Egyptiana mpitoraka blaogy, dia mamely ny Papa Shenouda III momba ny kabariny tamin’ny Paka tamin’ity taona ity, izay nilazany fa ho "mendy any amin’ny helo" ireo olona mampiasa ny Facebook, hoy ny tatitr’i Gr33nData avy any Le Caire.

2008-04-20

SIDA – Zava-pady sy mahamenatra ho an’i Arabo

Ny SIDA, syndrome immunodéficitaire acquis mahafaty, dia tsy firesaka any amin'ny tontolo Arabo. Saika ity teny mampivarahontsana ity anefa no novoizin'ireo blaogy maro tamin'ity herinandro ity – avy any Jordana, Iraka, Palestina, Bahran sy Yemena. Hareega, jordaniana mpitoraka blaogy, izay mpitsabo no anton'asany, dia mitatitra 'resaka manafintohina nifanaovany tamin'olom-pantany iray momba ...

2008-04-16

Egypta: Aseho masoandro ny tsy fiankinan-dohan'ny vehivavy

Fahitalavitra tsy miankina iray mandeha amin'ny satelita ny OTV izay nahasàrika ny sain'ny mpijery maro tamin'ny andro nanombohany, isaorana ny fomba fijeriny malàlaka, ny zavatra arosony sy ny fomba androsoany azy izay samihafa tanteraka amin'ireo fahitalàvitra mikombona sy mitàna ny fomban-dràzana. i Zaman El Wasl (Ar) mpitoraka blaogy egyptiana, milaza eto ...

Freedom of Speech ,
Human Rights

Ibn Al Dunya, avy any Ezipta, no milaza fa mihoatra ny 600 no nosamborina tany Mahalla noho ny fitokonambe tamin'ny 6 avrily teo sy ny fiantraikany. Anisan'ny voasambotra amin'izany ny mpamaham-bolongana, ny mpanao gazety ary ny mpanao politika.

2008-04-10

Egypta:Mpitoraka blaogy miatrika vava-ady

Nihazakazaka niaraka tamin’ny famantaranora (famantaranandro) ny mpitoraka blaogy Egyptiana nampita ho an’izao tontolo izao ny fitroatr’ireo mpiasa izay niantraika tamin’ny firenena manontolo, toy ireo an’arivony nitangorona nanoloana ny Al Mahalla orinasa fanenonan-damba, nangataka ny hanamboarana ny karamany ho tsaratsara kokoa sady nanohitra ny fisondrotry ny vidim-piainana. Isan’ny voalohany koa niaraka ...

2008-04-02

Cyber-Activism ,
Internet & Telecoms

“Nahita lahatsoratra miresaka momba ny famahanam-bolongana aty amin’ny tontolo Arabo tsy nahy aho. Mitondra ny lohateny voalanjalanja hoe ‘ny famahanam-bolongana any amin’ny tontolo Arabo’ izy ity nefa miresakamomba ny tontolom-bolongana Eziptiana irery ihany, izay miavaka sy lohalaharana eto amin’ny faritra. Aiza ô? Misy firenena 21 hafa anie mandrafitra ny tontolo Arabo e ! ”

hoy Tololy avy any Jordania.

2008-03-28

Arabeyes : Tsy Rototra tamin'ny Fifindran'i Magdi Allam ho Katolika ny Mpitoraka Blaogy

Maro ny olon-dehibe nifindra Katolika ary nataon'ny Papa Benedict XVI Batemin'ny tamin'ny faran'ny herinandron'ny Paka teo. Isan'ny natao Batemy tamin'izany i Magdi Allam, Silamo, teratany Ejypsianina, nonina tao Italia nandritra ny antsasaky ny fiainany mahery, ary fantatra koa fa mpitsikera ny "Silamo iringiriny". Na dia "Silamo be" aza no nilazan'ny ...

2008-03-27

Protest ,
Politics

“Miantso fitokonambe izay hotanterahina ny 6 aprily ho avyizao, izany hoe roa andro mialoha ny fifidianana filakevim-paritra ny vondron'ny mpanohitra any Ezypta ka tafiditra anatin'ireo mpiantso ny antokon'ny mpiasa, ny Kifaya, ny mpirahalahy Miozolmana izay antoko voarara, ny tsy nahazo fahazoan-dalana hijoro antoko Karama (na fahamendrehana amin'ny teny malagasy) , ny antoko afovoany izay mbola tsy nahazo lalana ihany koa, ny mpiasan'i Mahalla, ny sendikan'ny Mpitsara (mitady hitovy amin'ny gasy koa izany), ny hetsiky ny Mpampianatra Oniversity (fa iza ary no maka tahaka e?), ary ny hafa koa,” hoy Elijah Zarwan, avy any Ezypta.