The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Egypt Tahiry Firenena

RSS ho an i Egypt

2009-06-05

Ejipta: Fanentanana hanohitra ny famoràna zazalahy

Tamin'ny2008 i Ejypta no namoaka  lalàna iray mandràra ny fanapàhana atao amin'ny vehivavy (FGM) [toy ny famoràna amin'ny lehilahy izy io]  . Nisy vondrona mpitoraka blaogy  iray  androany nanomboka fanentanana hanoherana ny famoràna ny lehilahy . Zobaida tompon'ny Al Haramlek Blog dia niteraka zazalahikely iray   ary tsy mamèla ny hamoràna ...

2009-06-04

Ejipta: Tsy ‘tongasoa' ve i Obama?

Valo amby efapolo ora mialoha ny kabary andrasan'ny tontolo arabo sy silamo fatratra hataon'ny filoha amerikana Barack Obama avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Cairo, dia saiky miray feo daholo ny tontolon'ny fitorahana blaogy Ejiptiana. Tsy faly amin'ny endrika mibaribary sy tafahoatra atao ho fikarakaràna sy fiarovana raisin'ny governemanta ejiptiana ho an'ity ...

2009-05-27

Palestina: Noheligelenin'ny miramila isiraeliana ny lanonana ara-literatiora

Mivezivezy any amin'ny faritra manamorona an'i Jordana, Palestina, ny Lanonana ara-literatiora ao Palestina izay fihaonana ara-haikanto tontosaina manomboka ny 23 ka hatramin'ny 28 mey. Ny tanjon'izy ity moa dia ny hanotronan'ny mpanoratra sy ny artista manerantany ny Palestiniana, hisavasava ravina sy hikarakara lanonana ara-kolotsaina andraisan'ny ao an-toerana sy iraisam-pirenena anjara. Etsy ...

2009-03-11

Ejipsiana manohitra rikoriko: fampielezan-kevitra anterineto anoherana ny tabilaoben’ny Maadi

Nifoha tamin'ny torimasony ny mponina Maadi teo anatrehan'ireo tabilaobe elekronika izay napetraka teo amin'ny fidirana mankao amin'ny faritra misy azy ireo. nandray ny fanapahan-kevitra ny mpamaham-bolongana iray manohatra ny kirakira vaovao anterineto, ary mitarika ny mpanohana rehetra hametraka ny lalana vaovao entina hamehezana ny fampiasana ny tabilaoben-dokambarotra sy hiarovana ny tontolon'ny faritra, araka ny tatitra nentin'i Nermeen Edrees.

Ejipta: Navoaka ny fonja ny mpamaham-bolongana Mohamed Adel

Novotsorana ny mpitoraka bolongana Ejipsiana antsoina hoe Mohammad Adel izay namahana ny blaogy antsoina hoe Maeit ary efa voafonja nanomboka tamin’ny 22 Novambra 2008. Mamehy izany rehetra izany ao anatin'ity lahatsoratra ity i Marwa Rahka.

2009-03-08

Miray hina ny mpamaham-bolongana Ejipsiana miatrika ny fampihorohoroana

Nanoratra I Eman AbdElRahman hoe ahoana re ny fihetsika asehon’ny tontolon’ny famahanam-bolongana Ejipsiana manoloana ny daroka baomba tao Al Hussein tamin’ny 22 Febroary izay nahafaty mpizaha tany Frantsay ary nandratrana olona mihoatra ny 20 isa. Te hiresaka ho androany mikasika ny vondron’ny mpamaham-bolongana Ejipsiana sy ny fanapaha-kevitr’izy ireo hiady manohitra ny fampihorohoroana.

2009-02-28

Eritreritra mamono: Endriky ny ditra ara-nofon’ny Ejipsiana

Mba afaka mampitsahatra ny herisetra ara-nofo ao Ejipta ve ny Facebook groups, ny T-shirts mpanohitra fanadalana, ny bolongana, ny lahatsoratra, ny mpitoraka bolongana, na ireo tia fihetsiketsehana? Tsy azoko eritreretina aloha raha izay hoy i Wandering Scarab (ilay kadradraka mirenireny).

2009-02-25

Ezypta: Nanohina ny mpamaham-bolongana Ezypsiana ny fakantahaka

Misy ve ny tranga-javatra tahaka ny maka tahaka bolongana? samy manana ny heviny ny mpamaham-bolongana Ezypsiana ao amin'ny fefin'ny Facebook sy any amin'ny bolongany rehefa hitany fa maka ampahan-dahatsoratra tsy nahazo alalana tamin-dry zareo ny gazety iray. Bella Shereef ohatra nanangana vondrona iray mitory ny gazety El Shorouk noho ny ...

2009-02-15

Andron'ny mpifankatia, tatitra manokana: Fitiavana be avy any Ejypta

Ity no fotoana iray amin'ny taona izay hanomboanareo hino fa ny fiainana dia saika voninkazo sy sokola . Irery na olon-droa,  mpomba na mpanohitra ny andron'ny mpifankatia dia samy tsy maintsy miatrika ny hadalàna ben'ny volana Febroary. Na tia na tsia , ianareo dia tsindrian'ny nonorsa , voninkazo, boaty, ary  ...

2009-02-13

Ejipta : tsy mitsahatra ny fisamborana ireo mpitoraka bilaogy

Mbola lasibatry ny mpitandro ny filaminana sy ny manam-pahefana hatrany ny mpitoraka bilaogy Ejiptiana. Nandritra ny herinandro fotsiny izao dia efa mpitoraka bilaogy 2 no voasambotra. Ny nanombohan'ny tantara anankiray amin'ireo dia ny diabe natao hoe "ho any Gaza" nokarakarain'ny mpanao pôlitika mahery fihetsika 14 avy any Ejipta, Etazonia, Angletera, ...