· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Avrily, 2012

Tontolo Arabo: Ireo Teknolojia Niasa Nandritra Ny Fotoanan'ny Revolisiona

  22 Avrily 2012

Efa niteraka adihevitra ny  fanovana nentin'ny fifampitam-baovaon'olo-tsotra sy ny teknolojian'ny finday teo amin'ny fitroarana Arabo. Na inona na inona anefa ny fehin-kevitra avy aminao, azo heverina tokoa fa nampiasa ireo taranjan-teknolojia vaovao ireo ny mpikatroka ary hitarataratra ny sasantsasany amin'izy ireny isika amin'ity lahatsoratra ity. Mitatitra ny fisamborana anao Maro ny bilogera...

Ejypta: Lavo, Tafarina Ary Lavo Indray i Omar Suleiman

  17 Avrily 2012

Ny 6 Avrily, nanambara ny firotsahany hofidiana ho filoha i Omar Suleiman, filoha lefitr'i Ejipta teo aloha sady lehiben'ny sampam-pitsikilovana. Nisy ny fihetsiketsehana nataon'olona an'aliny teo amin'ny kianja Tahrir tamin'ny 13 Avrily ho fanoherana ny fampielezankevitr'i Suleiman. Nisy fivadihan-draharaha tampoka taorian'izay, izany hoe ny 14 Avrily tamin'ny filazana fa anisan'ny kandidà folo tsy afaka mifaninana amin'i fifidianana i Suleiman noho ny toa hoe tsy fahampian'ny sonia manohana ny firotsahany hofidiana.

Ejipta: Mifanandrina Ny Mpirahalahy Miozolomana Sy Ny Filankevitra Faratampon'ny Tafika – Miala Ve Ny Saro-tava?

  08 Avrily 2012

“Lehilahy anapitrisany no nidina an-dàlambe hanao fitakiana ny hianjeran'ny cabinet Ganzouri" vakio ny gazety ofisialin'ny Freedom and Justice Party na ny Antokon'ny Fahafahana sy ny Fitsarana taorian'ny hetsika izay namela ny vahoaka Ejiptiana ho voarirarira. Fa nahoana ilay fifandraisana akaiky dia akaiky teo amin'ny Filan-kevitra Ambon'ny Tafika Ejiptiana sy ny ankamaroan'ny hery politika no tonga amin'izay atao hoe "fahatapahana mahatsiravina”?

Ejypta: Ny Karapanondronao, Ny Zonao Ry Vehivavy

  04 Avrily 2012

Araka ny tarehimarika avy any amin'ny Ministeran'ny Atitany Ejypsianina, mahatratra 4 tapitrisa ireo vehivavy eto amin'ny firenena no tsy manana  kara-panondro. Ny vehivavy tsy manana kara-panondro dia tsy manan-jo hanan-tany, tsy afaka mividy na mivarotra tapakilan-drenivola ary tsy afaka mandova raha misy ny fahafatesana eo amin'ny fianakaviana. Mandrara ny vehivavy tsy hiditra amina karazana raharaham-panjakana ihany...