· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Febroary, 2012

Afrika: Mifidiàna Izay Afrikana Mpisaintsaina Tena Henoin-teny Indrindra Mbola Miaina

  29 Febroary 2012

Ny bilaogy "Africa is a Country" dia mangataka ireo mpamaky mba hifidy ny Afrikana mpisaintsaina tena henoin-teny indrindra ao anaty lisitra ahitàna mpifaninana 12. Ilay lisitra dia ahitàna an-dry Chinua Achebe (Nizeria), Mahmood Mamdani (Oganda), Mamdouh Habashi, (Ejipta), Kwame Anthony Appiah (Ganà/Etazonia), J M Coetzee (Afrika Atsimo/Aostralia) ary Issa Shivji (Tanzania). Misokatra amin'ny 5 Martsa 2012 ny fifidianana.

Tontolo Arabo: Mandria am-piadanana Whitney Houston

  16 Febroary 2012

Niara ory tamin'izao tontolo izao ny Arabo tamin'ny fahafatesan'ilay mpanankato tsara feo Whitney Houston, izay hita faty tao amin'ny trano fandraisam-bahiny nipetrahany tao Beverly Hilton Hotel, 48 taona izy izao namoy ny ainy izao. Nifandimby ny alahelo sy ny dona tamin'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny valantserasera, tao ireo nanontany ny antony...

Boky Vaovao Momba Ny Ady Erantany Ho An'ny Fahalalahan'ny Aterineto

GV Mpisolovava  09 Febroary 2012

Fomba ahoana no hahazoana antoka fa hoe ny aterineto dia mivoatra mankany amin'ny làlana iray hifanindran-dàlana amin'ny demaokrasia? Ary ahoana no fomba hahatonga antsika ho "mpiondana aterineto" mandray andraikitra ho an'ny hoaviny ara-dizitaly? Io no lahahevitra nofinidin'i Rebecca McKinnon ho an'ny boky vaovao nosoratany: "Fifaneken'ireo mpifandrohy: Ady Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Aterineto."