· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Novambra, 2011

Ejipta : Fanaingan-tsoroka Revolisionera Tamin'ny Fametraham-pialanà Kabinetra

  23 Novambra 2011

Ny Kabinetran'i Dokotera Essam Sharaf dia vao avy nanontany raha afaka ny hametra-pialana izy ireo ary ny Supreme Council for Armed Forces(SCAF) na ny Filankevitra Ambonin'ny Hery Mitam-piadiana dia mbola eo an-dalam-pandraisana fanapahan-kevitra na ho ekena ilay fametraham-pialana na tsia. Ho an'ireo mafàna fo sy mpanao hetsi-panoherana niady tamin'ny polisy sy ny miaramila ao anatiny sy ary manodidina ny kianja Tahrir efa ho telo andro izao , dia tsy nitondra zava-baovao teo ambony latabatra ilay vaovao. Ny zavatra tena nangatahan'izy ireo dia ny hialan'ny SCAF eo amin'ny fitondrana ary hanome ny fahefana amin'ny governemanta sivily.

Ejipta : Ireo Fanjakana Kely Ao Cairo

  23 Novambra 2011

Noheverinao ve izany fa i Cairo dia tanàn-dehibe iray? Ny tena marina, fitambaranà fanjakana kely maro izy io ary tsy mifampiankina . Ao amin'ity lahatsoratra ity, ilay bilaogera Karim Shafei dia manazava amintsika ny tena fomba fihodin'i Cairo.

Ejipta: Miverina Indray Ny Revolisiona!

  22 Novambra 2011

Maherin'ny 100.000 ireo olona voalaza fa ao amin'ny Kianja Tahrir amin'izao fotoana, ary ny polisy sy ny tafika dia mitohy midaroka ny mpanao fihetsiketsehana mangataka ny fitsaharan'ny fitondràna miaramila ao Ejipta. Anaty ady tsy mitsahatra manenjika ireo olona mitam-piadiana miasa ho an'ny governemanta Ejiptiana ireo mpanao fihetsikesehana hatramin'ny Zoma ary ankehitriny dia mitoetra ho tsy azo hozongozonina ao an-kianja mandra-pivalin'ny fangatahan-dry zareo.

Ejipta: Mitohy Hatrany Ny Fahorian'ireo Bilaogera Ao Amin'ny Tribonaly Miaramila

  21 Novambra 2011

Nanapa-kevitra ny Tribonaly miaramila tamin'ity anio ity fa haiditra am-ponja mandritry ny 15 andro hafa indray ilay bilaogera Alaa Abd El Fattah, 15 andro taorian'ny nitazonana azy voalohany, ka eo am-piandrasana ny fanadihadiana momba izay nolazain'ny mpiaro raha toa ka diso ny fiampangàna nataony. Ny raharahan'ilay bilaogera Maikel Nabil Sanad ihany koa dia nahemotra indray hatramin'ny 27 Novambra.

Ejipta: Nahoana No Hafahana Ilay Bilaogera Alaa Abd El Fattah?

  14 Novambra 2011

Mpitsara iray tao amin'ny fitsarana ara-miaramila no hanapa kevitra amin'ity anio ity na hohafahana i Alaa Abd El Fattah na mbola handany 15 andro hafa indray ao an-tranomaizina, etsy andanin'izay dia mbola andrasana ny fanadihadiana ambaran'ireo mpiaro fiampangàna tsy marina. Tao amin'ny Twitter, dia nanambatra ny heviny ireo mpanohana ho an'ny fanafahana azy tamin'ny fanaovana ny tenifototra "#WhyFreeAla." Indreto ny sasantsasany amin'ireo bitsika ampiasàna ity tenifototra ity.