· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Febroary, 2011

Ejipta: Ho Bokotra Fampandehana Indray Ny Revolisiona Ejiptiana Ve Ny 25 Feb?

  27 Febroary 2011

Ny omaly no nanamarika ny volana voalohany nanombohan'ny revolisiona Ejiptiana. Voaongana ny filoha teo aloha Hosni Mubarak, saingy tsy mbola vita akory ny revolisiona. Ireo mpanaofihetsiketsehana ao amin'ny kianja Tahrir izay mangataka ny hanatanterahana ny fitakiany dia nohodidinina sy naparitaky ny polisin'ny tafika. Ho fiandohana onjan-kerisetra vaovao indray ve izany?

Tontolo Arabo: Mitohy ny fitroàrana

  24 Febroary 2011

Fotoan'ny revolusiona izao manerana ny tontolo Arabo, miaraka amin'ny vahoaka mijoro sy miantso fiovàna ara-politika, ekonomika sy ara-tsosialy. Fifanatonana, fanaovana fihetsiketsehana sy fanoherana manerana ny faritra no mameno ny fandaharam-potoanantsika, miaraka amin'ny vaovao mahavaky fo amin'ny fomba ataon'ny governemanta Arabo iray aorian'ny fampiasan'ny iray ny paikady mitovy hamdravàna ny fanoherana sy ny hampanginana ny feon'ny mpanohitra. Ireto misy fihetseham-po avy amin'izao tontolo izao manaraka ny fandehan'ny revolisiona eo amin'ny faritra

Tontolo Arabo: Adihevitra Goavan'ny Fampitam-Baovao Sosialy

  22 Febroary 2011

Efa am-bolana raha ny fijery azy no mafotaka ny adihevitra momba ny anjara toeran'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra tamin'ireo fihetsiketsehana. Tsy ela akory izay, nifantoka tamin'i Tonizia sy Ejipta izany adihevitra izany, izay ny tranonkala toy ny Facebook sy Twitter no tena nitana toerana lehibe tamin'ny fandrindràna ny hetsika. Ity ny singany iray amin'izany adihevitra izany, avy tao amin'ny Twitter.

Ejipta: Olana teo amin'ny fanehoan-kevitra, soa ihany fa teo ny Google sy ny Twitter

  19 Febroary 2011

Androany hariva, niara-niasa ny Google sy Twitter teo amin'ny famoronana fitaovana iray ahafahan'ny Ejiptiana mandefa tweet...amin'ny alalan'ny fametrahana hafatra. Vokatry ny tsy fahafahana mampiasa aterineto, dia manampy ny Ejiptiana io fitaovana io amin'ny fiantsoana numerao any ivelany amin'ny alalan'ny finday sy ahafahan'izy ireo mametraka hafatra ho an'izao tontolo izao.

Ejipta : Kianjan'ny fahafahana, andron'ny fahafahana

  17 Febroary 2011

Omaly dia fanin'ny haravoana ny Ejiptiana. Mizara any fahatsapany i Tarek Amr ary ireo Ejiptiana mpitoraka bilaogy nanatri-maso ny fianjeran'i Moubarak - ilay lehilahy nifehy ny firenen-dry zareo nandritra ny 30 taona ary avy eo voatery nametra-pialàna satria niara-nanandra-peo tokana ny vahoaka hoe :Mialà!

Ejipta: Ho andron'ny Intifada Ejiptiana ve ny andron'ny 25 Janoary?

  16 Febroary 2011

Inona no zavatra hiseho any Ejipta amin''ny 25 Janoary? Mangataka hetsika sy fitorevahana etsy sy eroa ny vahoaka. Iza no handray anjara, ary aiza? Inona no angatahan'izy ireo? Mety hoe misy olona sasany manohitra ny zavatra rehetra? Mila mitsidika kely ny tontolon'ny bilaogy Ejiptiana fotsiny isika dia mahita valiny amin'ny fanontaniantsika rehetra.

Ejipta: Mitohy ny fety ho an'ny fahalafahana (Lahatsary)

  16 Febroary 2011

Hatramin'izay nivoahan'ny vaovao hoe tapa-kevitra ny hiala tsy ho filohan'i Ejipta i Hosni Mubarak, dia nandeha ny fety nanerana ny firenena. Nanerana an'izao tontolo izao, nankalaza tanaty firaisankina amin'ny vahoaka Ejiptiana ny vahoaka ary koa ny fahitany ny fahalalahany vaovao indray. Horonantsary maro hatrany no aseho eo amin'ny tambajotra sosialy ary amin'ireo tranonkala fizaràna horonantsary. Horonantsary mihamaro hatrany no alefa amin'ny tambanjotra sosialy sy horonantsary zaraina amin'ny tranonkala. Vahoaka antapitrisany no naka sary tamin'ny zoro samihafa ny fotoam-pankalazana amin'ny ankapobeny. Ireto misy ampahana horonantsary naseho tamin'ny aterineto.

Ejipta: Wael Ghonim navotsotra?

  16 Febroary 2011

Fanampim-baovao:Naheno tsaho maro mifanohitra izahay momba ity tantara ity any an-toerana ary miandry porofo bebe kokoa manamarina fa navotsotra i Ghonim. Navotsotra androany i Wael Ghonim, mafana fo Ejiptiana amin'ny aterineto sady mpiasan'ny Google, noho ireo Ejiptiana mbola manohy mangataka ny fifaranan'ny fitondràn'i Mubarak. Notendren'ireo mpitolona ao amin'ny Kianja Tahrir ho mpitondra tenin-dry zareo i Ghonim, mba hanerena ny governemanta hamotsotra azy.