· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Oktobra, 2010

Egipta: Facebook maditra

  22 Oktobra 2010

Niteraka tsaho, esoeso ary fampihomehezana maro samihafa manerana ny blaogy sy Twitter ny fandaharana iray nandeha tamin'ny fahitalavi-panjakàna. Manome fanampim-baovao i Tarek Amr ao amin'ny fanangonany ny fanehoan-kevitra teo anivon'ireo Egiptiana amin'ny aterineto.

Handray anjara amin'ny Iray andro manerantany ny Rising Voices

Rising Voices  17 Oktobra 2010

Hampiseho ny fahasamihafany ireo mpikambana ao amin'ny fianakaviamben'ny Rising Voices amin'ny fandraisany anjara amin'ny hetsika Andro Iray eto Ambonin'ny Tany. Haka sary ny manodidina azy ny olona mpampita vaovao maneran-tany amin'ny 10 Oktobra 2010 mba hitehirizana ny sary indray mihelatry ny fiainana eto an-tany. Jereo ny sasany amin'ireo mpandray anjaran'ny Rising Voices.

Ejipta: Fepetra Vaovao Hanaraha-maso ny Votoatin'ny SMS

GV Mpisolovava  14 Oktobra 2010

Ny National Telecommunications Regulatory Authority (NTRA), Manampahefana mpandrindra ny fifandraisandavi-pirenena, dia nanapa-kevitra hametraka rindran-damina vaovao ao Ejipta tamin'ny 11 Oktobra hanerena ireo orinasa rehetra mpandefa hafatra fohy (SMS) gaboraraka mankany amin'ny finday mba haka fahazoan-dàlana avy amin'ny sampan-draharaham-pirenena sy hàka fankatoavana mikasika ny votoatin'ny hafatra alohan'ny handefasana azy ho ana sokajin'olona manokana, izay napetraka hanaramaso ny tolotra SMS