Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Marsa, 2009
Ejipsiana manohitra rikoriko: fampielezan-kevitra anterineto anoherana ny tabilaoben’ny Maadi
Nifoha tamin'ny torimasony ny mponina Maadi teo anatrehan'ireo tabilaobe elekronika izay napetraka teo amin'ny fidirana mankao amin'ny faritra misy azy ireo. nandray ny fanapahan-kevitra ny mpamaham-bolongana iray manohatra ny kirakira vaovao anterineto, ary mitarika ny mpanohana rehetra hametraka ny lalana vaovao entina hamehezana ny fampiasana ny tabilaoben-dokambarotra sy hiarovana ny tontolon'ny faritra, araka ny tatitra nentin'i Nermeen Edrees.
Ejipta: Navoaka ny fonja ny mpamaham-bolongana Mohamed Adel
Novotsorana ny mpitoraka bolongana Ejipsiana antsoina hoe Mohammad Adel izay namahana ny blaogy antsoina hoe Maeit ary efa voafonja nanomboka tamin’ny 22 Novambra 2008. Mamehy izany rehetra izany ao anatin'ity lahatsoratra ity i Marwa Rahka.
Miray hina ny mpamaham-bolongana Ejipsiana miatrika ny fampihorohoroana
Nanoratra I Eman AbdElRahman hoe ahoana re ny fihetsika asehon’ny tontolon’ny famahanam-bolongana Ejipsiana manoloana ny daroka baomba tao Al Hussein tamin’ny 22 Febroary izay nahafaty mpizaha tany Frantsay ary nandratrana olona mihoatra ny 20 isa. Te hiresaka ho androany mikasika ny vondron’ny mpamaham-bolongana Ejipsiana sy ny fanapaha-kevitr’izy ireo hiady manohitra ny fampihorohoroana.