Tantara misongadina mikasika an'i Ejipta
Fahamendrehana, Herim-po ary Fihatsaram-belatsihy: Lehilahy Ejyptiana Naboridanin'ny Polisy

Hamada Saber no anaran'ilay lehilahy Ejyptiana, hita taminà lahasary niparitaka sy nandeha tao amin'ny fahitalavitra CNN ihany koa, lahasary mampiseho azy novonoina sy naboridanin'ireo mpitandro filaminana. Nitarika fahatezerana...
-
Maika Hihaona Momba an'i Gaza Amin'ny Ahoana ny Ligy Arabo?
16/11/2012
-
Tontolo Arabo: Tohina Tamin'ny Famonoana Ny Ambasadaoro Amerikana Tao Benghazi
15/09/2012
-
Ejipta: Mamantatra Ny Antony Nanalàn'i Morsi Ireo Jeneraly Mpitari-Tafika
21/08/2012
-
Ejipta: Mankalaza An'i Curiosity Sy Ilay Lehilahin'i Mars – Dr Essam Heggy 08/08/2012
-
Sodàna: Nokendrena Manokana Ny Vehivavy #SudanRevolts
20/07/2012
Tantara farany mikasika an'i Ejipta
23/04/2013
Torolalana Ara-dalàna Momba Ny Fiarovana Nomerika Ho An'ny Mpikatroky Ny Zon'Olombelona Arabo

Namoaka "torolalana ara-dalàna ho fiarovana ara-nomerika" ho an'ny mpanentana sy ny mpikatroky ny zon'olombelona ary ny mpisolovava liana amin'ny fahalalaha-miteny nomerika sy ny tsiambaratelom-pifandraisana sy ny antontan-kevitra voatahiry ao amin'ny finday, solosaina na zavatra hafa ampiasaina hitehirizana sy izarana vaovao ny Fikambanana Miaro ny Fahalalaham-Pitenenana sy Fieritreretana ao Ejipta.
19/04/2013
Ny Afovoany Atsinanana Hita Avy Eny Amin'ny Tsy Taka-maso: Sary Zarain'i Cmdr Hadfield Ao Amin'ny Twitter
Ilay "astronaute" Kanadiana Chris Hadfield, izay eny amin'ny Toby Iraisampirenena eny amin'ny Habakabaka eny amin'izao fotoana, dia mizara sary mahafinaritra avy amin'ny manodidina an'izao tontolo izao ao amin'ny Twitter. Ireto ny vitsivitsy amin'ireo saripika nozarainy mikasika ny faritra Afovoany Atsinanana avy eny amin'ny tsy taka-maso eny.
Mba Ampandroy Ny Filoham-pirenena Ejiptiana!!
Namela fofona i Mohammed Morsi - tao amin'ny Twitter. Nawara Negm, blagera sady mpikatrka mafàna fo dia nametraka ny tenifototra #حموا_الرئيس [ar], izay midika hoe "Mba ampandroy ny Filoha, taorian'ny namakiana tao anaty gazety Libane iray fa hoe nitaraina tao amin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ny tomponandraikitra alemà sasantsasany mikasika ny fofona avy amin'ny vatan'i Morsi."
08/04/2013
Mampihomehy Ireo Arabo Ny Fandrahonana Nokleary Ataon'ny Korea Avaratra
Nampihomehy Arabo maro mpampiasa aterineto ny fandrahonan'ny Korea Avaratra ny hanafika ireo toby miaramila amerikana, anisan'izany ireo mitoby any Amerika.
29/03/2013
Didy Fampisamborana Ilay Bilaogera Ejypsiana Alaa Abd El Fattah Noho Ny Resaka Sioka Tamin'ny Twitter
Tonga nitono-tena tao amin'ny mpampanoa lalàna ilay bilaogera Ejypsiana Alaa Abd El Fattah tamin'ny 26 Martsa taorian'ny didy fampisaborana navoaka ho azy ny alin'ny 25 Martsa. Mikasika ny fifandraisany amin'ny...
17/03/2013
Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto

Manamarika ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto ny 12 Martsa. Tamin'ny 2008 no voalohany indrindra nikarakaran'ny Reporters Without Borders, vondrona iraisam-pirenena mpisolovava ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto, izay niantsoana ireo mafana fo, hetsika sy fikambanana maneran-tany handray anjara amin'ny alalan'ny fampahatsiahivana ny olona mandrafitra azy ireo ny lanjan'ny fiarovana ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto.
15/03/2013
Ejypta : Famaritana ny Fahalalahana Nomerika

Tamin'ny volana febroary lasa teo, namoaka ny fanadihadiana voalohany [amin'ny teny arabo] momba ny fahalalahana nomerika ny fikambanana miaro ny fahalalahan-kevitra sy fahalalaham-pitenenana ao Ejypta; lahatsoratra mamariparitra ireo karazana zon'Olombelona sy...
13/03/2013
Tontolo Arabo: Fifidianana Izay Ho Papa, Setroka Fotsy
Niara-nitepo tamin'izao tontolo izao ireo Arabo mpisera anaty aterineto androany niandry vaovao mikasika izay ho Papa vaovao, izay hisolo toerana an'i Papa Benoit XVI. Ary vantany vao nivoaka ny setroka fotsy avy ao amin'ny Chapelle Sistine, manambara fa voafidy ny Papa, dia niainga avy any koa ny fanehoankevitr'izy ireo.
04/03/2013
Nifidy An'i Morsi ny mponina Ejiptiana Satria …
Tao amin'ny Twitter, Nanenina avokoa ireo mponina Ejiptiana izay nifidy an'i Mohamed Morsi tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena Ejiptiana tamin'ny 24 Jona - ary mazava tsara ny nenin'izy ireo tao anaty tenifototra iray vaovao izay mivaky hoe: Nifidy an'i Morsi aho satria .. Niteraka fanesoana mifangaro sangisangy io tenifototra [ar] io #انا_انتخبت_مرسي_عشان . Nandresy an'i Ahmed Shafik, praiministr'i Hosni Mubarak farany teo i Morsi, mpilatsaka hofidiana avy amin'ny firahalahiana Silamo, tamin'ny fifidianana filoham-pirenena. Nametra-pialàna i Ahmed Shafik 32 taona taorian'ny hetsi-panoherana izay naharitra 18 andro nokarakarain'ny vahoaka rehetra teo amin'ny firenena hanoherana ny fifehezany.
03/02/2013
Mila Sitraka Amin'i Merkel i Morsi Kanefa Mbola Ao Anaty Korontana i Ejipta
Nalaza ny sary “photoshop”n'ny filoha Ejipsiana Mohammed Morsi nanoroka ny lehiben'ny mpitondra fanjakana (chancelier) alemana Angela Merkel, ka niteraka fanebahana teo amin'ireo mpiserasera, izay nitsikera an'i Morsi ho nandany andro...






























RSS ho an i Ejipta
Karohy Wikipedia ny Ejipta








Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa