The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Bahrain Tahiry Firenena

RSS ho an i Bahrain

2008-10-02

Bahrein : Tendrombohitra any Ecosse sy any OmanaSary post

BuZain mpiblaogy avy any Bahrein no manao fampitahana ara-tsary ny mahasamihafa ireo tendrombohitra any Ecosse sy any Omana. Ato jerena raha tianao ho fantatra izany fahasamihafana izany.

2008-09-03

Moyen-Orient : Momba sy manohitra ny fandaharana amin'ny fahitalavitra mandritry ny Ramadany

Vao manomboka ny volan'ny Ramadany izao ary ireo mpijery fahitalavitra miteny arabo dia samy efa tsindrian-daona miandry izay fandaharana haroson'ny fahitalavitra voaomana ho amin'izany ny hariva. Ireo mpitoraka blaogy jordaniana, saodiana sy ny avy any Barheïn dia mifanpizara ny fomba fijeriny manodidina ireo fandaharana be mpanaraka mandritry ny Ramadany. Avy any ...

2008-07-20

Bahrein:Fomba fijery ny asa an-tsitrapo

Misy any amin’ny firenen-drehetra ny asa an-tsitrapo, saingy ny antony mandrisika ny mpirotsaka an-tsitrapo no miovaova be ihany. Mpitoraka blaogy iray avy ao Bahreïn, mandranto fianarana any Royaume-Uni amin’izao fotoana izao, no manao fampitahàna ny antony mandrisika ireo mpirotsaka an-tsitrapo any amin’ny fireneny sy ny any amin’ny firenena tandrefana. Atombok’i Sayed ...

2008-07-14

Bahrein: Fanandratana ny vondrom-bolongana miteny arabo iray

Maro amin'ny mpamaham-bolongana any amin'ny tontolo  Arabo no mampiasa ny tahalam-bolongana miteny arabo tahaka ny  Jeeran sy ny Maktoob, hany ka nihoatra ny sisintanim-pirenena maro ny fivelaran'ny tontolony. Mpamaham-bolongana Bahrainita malaza iray, Shaima Al Watani, no mankalaza ny tsingerintaona voalohany nidirany tao amin'ny vondrom-piaraha-monin'ny mpamaham-bolongan' i  Jeeran. Shaima, izay manana ny bolongana antsoina hoe ‘Scattered clippings‘, ...

2008-07-09

Ekonomia ,
Politika

Manontany i Yagoob hoe nahoana moa ireo fianakaviana mahantra Bahrainita no mbola tsy naharay ny fanohanana ara-bola nampanantenana azy ireo enimbolana lasa izay. Izany no natao mba hiarovana azy ireo amin'ny fidangan'ny vidim-piainana.

2008-05-28

Bahrain : “Fahirano” atao ireo teratany Bangladeshy

Taorian'ny nitrangan'ny loza andro vitsy izay, izay namonoan'olona ity teratany Bahrainy iray nohon'ny fandavany handoa ireo fanampin-karama 500 fils (1.3 USD) izay notakian'ity Mekanisiana teratany Bangladeshy iray tamin'ny asa notanterahiny, dia nahanton'ny fanjakan'i Bahrain ny fanomezana fahazahoan-dalàna miasa hoan'ny teratany Bangladeshy rehetra. Misy aza vondrona Solombavam-bahoaka izay miketrika ny hanolorana ...

2008-04-20

SIDA – Zava-pady sy mahamenatra ho an’i Arabo

Ny SIDA, syndrome immunodéficitaire acquis mahafaty, dia tsy firesaka any amin'ny tontolo Arabo. Saika ity teny mampivarahontsana ity anefa no novoizin'ireo blaogy maro tamin'ity herinandro ity – avy any Jordana, Iraka, Palestina, Bahran sy Yemena. Hareega, jordaniana mpitoraka blaogy, izay mpitsabo no anton'asany, dia mitatitra 'resaka manafintohina nifanaovany tamin'olom-pantany iray momba ...

2008-04-14

Bahrain:Fahafatesana polisy nampizara mpitoraka blaogy

Vao niandoha ny herinandro dia polisy Barhaini iray, Majid Asghar Ali, 27 taona, no maty raha nisy nanafika ny fiara mpanao fisafoana iray ary nirefotra ny basy tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Karzakan. Haingana tokoa ny mpitoraka blaogy avy ao Barhain nitondra fanamarihana. Tohina mafy i SoulSearch: Fa inona no nitranga ...

2008-04-03

Bahrain: fiainana milamina anatin'ny fahasamihafàna

Hatrizay hatrizay, efa aman'arivorivon-taonany lasa izay, Bahrain dia tanim-pilaminana izay ifangaroan'ny mponina maro samy hafa finoana, sy fiaviana. Tao amina tanàna tranainy iray, i Ràn'i Kristy (Ar), mpiblaogy iray avy ao Bahrain dia nahita sary iray izay mampiseho fiainana mirindra anatina fahasamihafàna. Fiainana mirindra anatina fahasamihafàna ao Bahrain. I Ràn'i Kristy, dia ...

2008-03-07

Tsy mankasitraka vehivavy miakanjo maivana

Sarimbehivavy tsy manao Hijab, asehon'ny gazety miseho isan'andro, nanoratra momba ny fankalazana ny andron'ny fampianarana tany Bahrain, andro koa fanomezam-boninahitra ny mpianatra mahay indrindra, no niantombohan'ny raharaha. Mitaraina i Jaffar: من خلال تصفحي لجرائدنا المحلية الأسبوع الفائت.. كنت أشاهد صور كثيرة لفعاليات عيد العلم وأخذت أقلب الصور وأفكر فيها.. صور نساء ...