· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Desambra, 2012

Nosakanana ny Fandefasana Mivantana Ny Kaonferansa Nokarakarain'ny Firenena Mikambana

GV Mpisolovava  30 Desambra 2012

Araka ny filazan'ireo mpikatroka ao Bahrain, nosakanana ny fandefasana mivantana ny Filankevitry ny Firenena Mikambana Misahana ny Zon'olombelona.   Nosakanan'ny manampahefana ao #Bahrain  ny fidirana ao amin'ny habaky #UN amin'ny fandefasana mivantana noho ny fanelanelanako ao amin'ny #HRC21twitpic.com/aucktm — Mohammed Al-Maskati(@MohdMaskati) 14 Septambra 2012 Mohamed Al-Maskati, filohan'ny Fikambanan'ny Tanora Bahrainita miaro ny Zon'olombelona, niresaka momba...

Global Voices: Misy Dikany Ny Feo Tsirairay

GV Mpisolovava  29 Desambra 2012

Ny hevitra hoe misy dikany ny feo tsirairay dia tena mifanakaiky amin'ny hevitry ny Global Voices amin'ny maha-vovonana sy vondrom-piarahamonina azy. Raha nivondrona ny mpiserasera amin'ny aterineto hanao izay handrenesana ny feony amin'ny fotoana izay iadian'ireo manam-pahefana eto amin'izao tontolo izao hevitra ny amin'izay hitantana ny aterineto, nanapa-kevitra izahay ny hangataka amin'iro vondrom-piarahamonina samihafa misy anay mba handray anjara sy hiteny ny olana mafonja amin-dry zareo sy hanao jery todika ireo olana notaterintsika nandritra ny taona amin'ny fiheverana fa misy dikany ny feo tsirairay.

Miparitaka ny Lahatsary “Fetaka” nataon'ny Mpitandro Filaminana tany Bahrain

  28 Desambra 2012

Roa taona lasa izay, nanomboka ilay antsoina hoe "Lohataona Arabo" rehefa nisy Toniziana mpitandro filaminana iray namelaka tovolahy tany Sidi Bouzid. Nihevitra ny olona fa ho foana vetivety ny tsindry hazolena ataon'ny mpitandro filaminana, nefa nisy lahatsary iray indray niparitaka tany Bahrain mba hanmpahatsiahy antsika fa mbola velona sy tomady tsara ireo mpitandro filaminam-panjakàna.

Nanao Fihetsiketsehana Ny Bahrainita Tamin'ny Fetim-pirenena

  18 Desambra 2012

Fety ny 16 sy 17 Desambra ao Bahrain. Fetim-pirenena ny andro voalohany ary andro nankalazana ny fahatongavan'i Mpanjaka Hamad teo amin'ny fahefana ny andro faharoa. Andron'ireo Martiora ihany koa ny 17 Desambra ao Bahrain – andro fahatsiarovana ireo niharam-boina am-polony izay namoy ny ainy nandritra ny taona maro nitoloman'ny Bahrainita...

Bahrain: Mbola Fahirano Ny Tanànan'i Mahazza

  10 Desambra 2012

Efa ho iray volana eo izao ao Bahrain, iharan'ny fahirano noho ny antony ara-piarovana, baikon'ny Minisitry ny Atitanin'ilay fireneny ihany, ny tanànan'i Mahazza ao Sitra. Noho ny tsy fisian'ny fampahalalam-baovao tsy miankina ao an-toerana, ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, indray mandeha indray, no hany fitaovana ahazoana ireo tatitra momba ny zava-nitranga teny an-kianja. Tamin'ny alàlan'ny Facebook sy Twitter, nandefa ny famoriam-bahoaka tany aminy ho fanehoana fanohanana an'i Mahazza ry zareo Bahrainis sady nizara vaovao momba ireo fanafihana trano sy fisamborana maro

Mbola Mangorintsin'ny Fitsidihan'i Kim Kardashian An'i Bahrain

  07 Desambra 2012

Mbola mitohy mameno ny vaovao - sy ny media sosialy - ihany ny fitsidihana nataon'ilay Amerikana vavy malaza mpilalao sarimihetsika mamoafady Kim Kardashian tany Bahrain. Tanaty andianà bitsika maro, napetrak'i Nicholas Kristof mpanoratra ao amin'ny New York Times mazava tsara ny tsy hafaliany tamin'ny fandàvana hanome azy fahazoan-dàlana hitsidika an'i Bahrain, toerana izay nanasàna an'i Kardashian hanokatra trano fivarotana "milkshake" hoy i Mohamed Hasan manoratra.