· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Aogositra, 2012

Bahrain: Mibitsika Ireo Fepetra Tsizarizary Ao Amin'ny Fonjaben'i Jaw

  12 Aogositra 2012

Miara-mivondrona ao amin'ny aterineto ireo mpampiasa aterineto Bahraini mba hisarihana ny saina amin'ireo fepetra tsizarizary ao amin'ny fonjaben'i Jaw, izay ahitàna mpanao politika voafonja, ankoatra ireo hafa. Taorian'ny fanampenam-bava ny hetsi-panoherana tao Bahrain ny 14 Febroary 2011, dia olona anjatony no voasambotra, notsaraina sy naiditra am-ponja noho ny fandraisana anjara tamin'ny fihetsiketsehana nanoherana ny governemanta.

MENA : Mandray Ny Ramadany

  05 Aogositra 2012

Vao nanomboka indrindra ny Ramadany, volana fahasivy ao amin'ny tetiandron'ny Silamo. Io dia fotoana ifadian'ireo Silamo hanina manomboka ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany, mba hanakaikezana kokoa an'Andriamanitra ary Hankalazana ny fahasoavany. Manerana izao tontolo izao, ireo Silamo dia nanao izay hakàna ny fanahin'ilay volana anaty sary maromaro, nizara azy ireo tanaty karazana vohikalam-pifandraisana sosialy isan-karazany