· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Mey, 2012

Nabeel Rajab: Mitohy Ny Tolona Any Bahrain

Navoaka tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra $800 ny Filohan'ny Foibe Bahraini momba ny Zon'olombelona, Nabeel Rajab, hoy ny mpisolovava azy, Mohamed Al Jishi. "Ity no fotoana voalohany teo amin'ny fiainako nitanana ahy nandritra ny fotoana naharitra. Namafisin'ny zavatra niainako tany am-ponja ny finoako fa mpanao didy no mifehy antsika. Mila miziriziry hanohitra isika, ary hiady mafy hanohitra ity famoretana sy tsy rariny ity mandra-pahatanteraka ireo fangatahana rehetra izay nanatanterahantsika hetsi-panoherana tamin'ny 14 Febroary. Hitohy ny tolontsika mandrapahazoantsika ny zontsika rehetra."

Niteraka Ahiahy Ny Tolo-kevitra Hananganana Fiombonamben'ireo Firenena Arabo Ao Amin'ny Golfa

  18 Mey 2012

Nifanakalo hevitra ireo governemanta ao amin'ny Golfa ny amin'ny hamadihana ny Filan-kevitry ny Fiarahan-miasan'ny Golfa amin'izao fotoan ho toy ny an'ny Fiombonambe Eoropeana. Eritreritra fanovana miainga aoa anaty rivotry ny fisalasalàna sy mafanafana naterak'ireo fitroarany Arabo sy ny fitomboan'ny dindo avy ao Iran. Ho toy ny dingana voalohany, dia i Arabia Saodita sy Bahrain no mety hikatsaka fitambarana mafimafy kokoa.

Fanamarihana Ny Voalohany Mey Manerana Ny Tontolo Arabo

  02 Mey 2012

Ekena ho andro tsy iasana ny May Day [Andron'ny Mey] na Fetin'ny Asa na Andro Iraisampirenena Ho an'ny Mpiasa any amin'ny firenena Arabo maro, ary manao fivoriana na fihetsiketsehana ny sendikà sy ny antoko maro hanomezam-boninahitra ny anjara toeran'ny mpiasa sy ho fitakiana ny zon'ny mpiasa.  Nanambara ny Vaomieram-Pirenena Tetezamita ao...