· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Avrily, 2012

Bahrain: Aiza I Abdulhadi Alkhawaja?

  30 Avrily 2012

Efa andro vitsy lasa izao no tsy nahazoam-baovao ilay Bahraini mafana fo mpiaro ny zon'olombelona sady mpitarika ny mpanohitra Abdulhadi Alkhawaja, izay nanao fitokonana tsy hihinan-kanina hatramin'ny 8 Febroary. Atahorana fa mety fahanana sakafo an-katerena na mety ratsy tokoa ny fahasalaman'i Alkhawaja.

Bahrain: Mihetsiketsika Samirery Ravehivavy!

  24 Avrily 2012

Hatramin'ny niandohan'ny fitroarana manerana ny tontolo Arabo, efa lasa mahazatra antsika ny mahita sarin'olona an'arivony manao fihetsiketsehana eny an-kianja na eny an'arabe. Nampidirina tao amin'ny rakibolana ny fehezanteny toy ny  hoe Million Man March ( Diaben'ny Lehilahy An-tapitrasany, ary nanjary mariky  ny “Lohataona Arabo” ny sary tahaka ity ambany ity. Na...

Matin'ny Bala Iray i Ahmed Ismael, Tsy Toy Izany Kosa Ireo Lahatsariny

GV Mpisolovava  15 Avrily 2012

Rehefa miresaka mikasika ireo olo-malazan'ny tolona ho amin'ny fahalalahana, dia mahatsiao foana an'ireo olon-tsotra mpitati-baovao aho. Ireny tanora lahy sy vavy izay mampakatra lahatsary sy fanavaozam-baovao anaty aterineto ireny mba ho hitan'izao tontolo izao no tena mahery fo marina tokoa. Tsy zavatra mora akory izany hoe eny anivon'ny famoretana ataon'ny polisy izany sady mandrakitra anaty lahatsary sy saripika. Ireny mpiady tsy mitonona anarana ireny no mahery fo manan-daza ho ahy.

Sahiran-tsaina Izao Tontolo Izao Noho Ny Zava-mihatra Amin'ilay Mpikatroka Bahrainita

  10 Avrily 2012

Naneho ny ahiahiny ny mpiserasera manerana izao tontolo izao manoloana ny tsy fanajana ny zon'olombelona izay mihatra amin'ilay mpitolona Bahrainita Abdulhadi Alkhawaja. Sazy an-tranomaizina mandrampahafaty no didy navoakan'ny manampahefana ao Barhein ho azy tamin'ny taon-dasa, ka nitokona tsy hihinankanina izy noho izany nanomboka ny 8 Febroary 2012 mba hanaovana fanairana noho ny fanagadrana az