· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Mey, 2011

Tontolo Arabo: Handray an'i Maraoka sy Jordania Ny Vondron'ny Fitondram-panjaka Arabo

  13 Mey 2011

Tamin'ny voalohany nihevitra ny tsirairay fa vazivazy na tsahotsaho ihany ny tao amin'ny Twitter. Taty aoriana, fantatr'ireo mpiserasera fa zavamisy marina tokoa fa tsy tsaho na vazivazy ka nampitokelaka ireo mpisiokantsera ny fahafantarana fa horaisina  tsara sy hiadian-kevitra ny fangatahan'i Maraoka ho mpikambana ao amin'ny Vaomieran'ny Fiaraha-miasa ao amin'ny Helodrano (CCG)....

Tonizia: bilaogy nandà ny loka notohanan'ny governemanta Barhainita azony

  11 Mey 2011

Nahazo ny Amboara Arabo eContent 2011 ny vavahadin-tserasera bilaogy Toniziana Nawaat, ao amin'ny sokajy e-fandraisana anjara sy fampandraisana anjara Loka Arabo eContent 2011 . Fifaninanana nokarakaraina sy notohanan’ ny governemanta Barhainita ara-bola ny Arabo eContent. Mpikambana ao amin'ny Nawaat, sehatra bilaogy iraisana izay nampahafantatra amim-pivitrihana amin'izao tontolo izao ny fikomiana toniziana tamin'ny fanonganana...

Ao Bahrain, Andron'ny Tsy-Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety

GV Mpisolovava  05 Mey 2011

Androany 3 Mai no Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety, andro iray izay zary lasa fotoana fitserana kokoa noho ny maha-andro fankalazana azy any amin'ny firenena maro, isan'ireny i Bahrain, izay mbola misy fangejana ataon'ny governemanta amin'ny mpanao gazety sy ny mpitoraka bilaogy

Tontolo Arabo: “Ny 2011 dia ho taona voamarika anatin'ny tantara”

  03 Mey 2011

Mety hoe vao volana May izao fa maro ny zava-nitranga nandritra ny volana vitsivitsy teo amin'ny tontolo Arabo. Taorian'ny vaovao omaly momba ny namonoan'ny Amerikana an'i Osama Bin Laden tany Pakistana, Saodiana atidoha nikotrika ny fampihorohoroana, mandinika ny taona nodiavina ireo mpandefa tweets.

Tontolo Arabo: Misy ny misaona an'i Osama bin Laden

  03 Mey 2011

Maro ny mpisera Twitter manerana ny tontolo arabo no manome voninahitra sy fahatsiarovana noho ny fahafatesan'ilay Saodiana lehiben'ny Al Qaeda. Indreto misy siokantsera avy any Bahrain sy Koety, milaza fa mety hoe maty i Bin Laden saingy mbola velona kosa ny fotokeviny.