Tantara misongadina momba ny Bahrain
Hevitry ny mpamaham-bolongana momba ny fampahafantarana ny VIH/SIDA any amin'ny Tontolo Arabo
Fady any amin'ny ankamaroan'ny faritra Arabo ny miresaka ny momba ny VIH/SIDA, na dia misy aza ny fandaharan'asan'ny PNUD na sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana tahaka ny HARPAS izay miezaka ny mampahafantara ny momba azy ity. Raha mitatitra ny tsy fahafantarana ny momba ny VIH/SIDA ny mamaham-bolongana sasany, dia ...
Palestina: Mifampiresaka amin'ny Gaza
Araka ny toe-javatra mahazatra ary koa na dia eo aza ny taha ambony amin’ny fahaiza-manoratra, dia mipetraka eo anelanelan’ny 13 sy 15 ny isan-jaton'ny fahafaha-mampiasa ny aterineto any Palestina (tafiditra ao anatin’izany Cisjordania sy Gaza ). Na dia eo aza ny fanafihana manatona an’I Gaza dia hita kosa fa mihena ...
2009-09-29
2009-09-05
Tontolo arabo: tonga soa ny ramadan
Volana manana ny lanjany eo amin'ny tetiandron'ny silamo ny volana masin'ny ramadan. Kendrena mandritra ny volana ny mampianatra ny mpino ara-panahy hahatsapa ny fangirifirian'ireo tsy mitovy saranga aminy, ka tsy mihinan-kanina ny silamo amin'io, tsy misotro, tsy mifoka ary tsy manao firaisana ara-nofo ny maraina vao miposaka mandrapilentiky ny masoandro, ...
2009-07-14
Tontolo Arabo: nanao veloma an'i Michael Jackson
Nanao veloma farany ilay mpanjakan'ny pop Michael Jackson ny mpitoraka bilaogy arabo manerana ny tany androany 07 jolay, tahaka ireo mpankafy marobe hafa izay nanaraka mivantana tamin'ny fahitalavitra ny fampisehoana ho fahatsiarovana azy tao amin'ny Staples Center any Los Angeles. Indreto misy fanehoan-kevitra avy any Arabie Saodita sy Koety ary ...
2009-05-25
Bahrain: Ny filàntsika ny Indiana dia toy ny filàntsika rivotra
Tany ampiandohan'ity volana ity, nanambàra i Bahrain fa tapitra hatreo ny endrika fanohanana ireo mpiasa vahiny, midika izany fa manomboka amin'ny volana Aogositra dia tsy hiankina amin'ireo mpampiasa azy intsony ireo mpiasa ireo, fa tohànan'ny governemanta mivantana amin'ny alalàn'ny Sampana mpandrindra ny tsenan'asa, àry hahazo alàlana hiova asa tsy ilàna ...
2009-03-09
Bahrain: Napetrak'ilay mpisolovava ho toy ny “revy tsy manimba” ny fanolanana
Nanintona ny sain’ireo mpitoraka bolongana sasany ao Bahrain ny raharaha fitsarana mahakasika fanesorana tsy nahitana porofo sy ny fanolanana vehivavy iray, satria nofohanan’ny mpisolovava vehivavy ho toy ny “ny ditra tsy mampaninona” ny asa ratsy natao.
2009-03-06
Tontolon’ny Arabo: Fety nahaterahana fampieritreretana
Maro ny mpitoraka bolongana manerana ny tontolo Arabo no maneho aterineto ny fety nahaterahana amin’ny alalan’ny lahatsoratra filozofika, izay mitantara ny fiainana, ny fanantenana, ny zava-bita ary ny nofinofin’izy ireo.
2009-02-19
Tontolon’ny Arabo: Miaina anaty rivotra!
Voarakotra tafio-drivotra goavana ny sakeli-tany arabo manontolo, mahatonga ny vahoaka any Bahrain, tao Kuwait, tao Arabia Saodita, Yemen, Iraq ary ny firaisan’ny Arabo entin’ny Emir (United Arab Emirates) hiaina anaty rivo-manempotra. Ireo ny horonantsary, sary sy bolongana nampidirina mahakasika ny toetr'andro mahatsiravina izay tsy fahita amin'ny vanim-potoana toy izao ao anatin'ny taona.
2008-12-26
Bahrain: Fampitahana ny fomba fiasan'ny Bahrainita sy ny Japoney
Mpamaham-bolongana Bahrainita Yagoob izay mianatra any Japana amin'izao fotoana izao - dia manatri-maso ny lazan'ny fitiavan'asa eo amin'ny Japoney. Amin'ity lahatsoratra ity ary no anehoana anareo ny fampitahana ny fomba fiasan'ny maro amin'ny Bahrainita sy ny fanaon'ny Japoney.





