· Marsa, 2014

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Marsa, 2014

Nivoady “Hamafa” ny Twitter ao Torkia i Erdogan

  25 Marsa 2014

Nakaton'i Torkia ny Twitter - tahaka izany ihany koa ny servisy DNS Google hoan'ny daholobe, izay nampiasaina hihodidinana ny fanakatonana. Na dia izany aza, toa hita fa tsy nahitam-bokany ny fikasan'ny governemanta Tiorka hanivanana izay fanoherana azy, satria vao maika lasa nitombo be ireo sioka avy ao Tiorkia.

Vehivavy Enina Notazonina Ho Andevo Tao Libanona Atsimo

  22 Marsa 2014

Navoakan'ilay tranonkala avy any Cote d'Ivoire antsoina hoe Koaci.com ny fisian'ny vehivavy enina notazonina ho toy ny andevo tao an-tanànan'i Nabatieh ao atsimon'i Libanona. Niantso hijerena ny zava-manjò ireo vehivavy ireo ny blaogera Libaney Joey Ayoub

Syria: Izaho No Aleppo, Aleppo Dia Izaho

Ny Tetezana - The Bridge  17 Marsa 2014

"Mitovy izahay sy Aleppo : simba, feno afo, misavoritaka," izany no nosoratan'i Marcell Shehwaro, mpitoraka bilaogy / mafana fo, ao amin'ny lahatsoratra voalohany amin'ny andiany momba ny fiainana any Syria mandritra ny tsy fifankahazoana amin'izao fotoana izao.

Mitsinjaka Sady Faly I Koety

  09 Marsa 2014

Ravo i Koety fa manana ny kinovany azy manokana amin'ilay mozika an-dahatsary Happy an'i Pharrell. Jereo ny lahatsary raha te hahita ny fomba fandihizan'i Koety.