· Jolay, 2013

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Jolay, 2013

Mamela Ny Helok'Ireo Izay Manevateva Azy Ny Emir Ao Koety

  31 Jolay 2013

Araka ny lalàna Koesiana, voaràra ny fanevatevana mpanjaka satria "tsy azo hitsakitsahana" ny fitondrana Emir. Maro ireo niarahaba ny famelàn'ny Emir ireo voaheloka raha nanambara kosa ny hafa fa ny zony haneho hevitra an-kalalahana no nataon'ireo voampanga sy voaheloka ireo.

Kairo: “Tsy Nitsahatra Mihitsy Ny Feon'ny Poa-basy”

  31 Jolay 2013

Tao Rabaa Al Adawiya ilay bilaogera Ejipsiana Mosa'ab Elshamy izay nahitana olona 100 maty voatifitra sy naharatrana olona 1500 nandritra ny fifandonana nitranga tao amin'ny sit-in nataon'ny mpanohana an'i Morsi tao Kairo. Mizara ny hitany ao amin'ny Twitter izy.