· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Mey, 2011

Ejipta: Herisetran'ny Mpitandro Filaminana Tamin'ny Androm-Panoherana tao Nakba, Cairo

  28 Mey 2011

Tamin-kerisetra mahery vaika no nandravan'ireo mpitandro filaminana ny androm-panoherana tao Nakba teo anoloan'ny Masoivohon'i Israely ao Cairo ny 15 May 2011, tifitra baomba mandatsa-dranomaso, bala vy mifono fingotra ary ny tatitra hafa aza dia nilaza fa bala tena izy no nitifirana ireo mpanao fihetsiketsehana.Niova mahatsiravina tampoka ny zava-niseho, nanjary nampahatsiahy ny zava-nisy tamin'ilay tolona ho amin'ny fiovàna nandritra ny 18 andro, ary tsy nitsahatra nibitsika nampita sy nandefa sarin'ireo fifandonana ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpanao gazety.

Arabia Saodita: vehivavy iray nosamborina satria nitondra fiara

  27 Mey 2011

Herinandro lasa izay, renim-pianakaviana saodiana iray nitondra ny fiarany nandeha nanatitra ny zanany tany an-tsekoly any Jeddah. Tamin'ny 22 may 2011, vehivavy Saodiana iray hafa, Manal Al-Sharif, nitondra fiara koa niaraka tamin'ny vehivavy mpitolona ho an'ny zon'ny vehivavy saodiana, Wajeeha Al-Huwaider, teo akaikiny, ny anadahiny sy ny zanany lahy tokana. Ny...

Teknolojia ho amin'ny fangaraharana: Tatitra farany

  26 Mey 2011

Faly ny Tambajotran'ny teknolojian'ny fangaraharana fa mivoaka izao ny tatitra farany , Sarintanin'izao tontolo izao momba ny fampiasana ny teknolojian'ny fangaraharana sy ny asa madio. Vao navoakan'ny Transparency and Accountability Initiative (@TAInitiative) miaraka amin'ny tatitra am-polony hafa momba ny hetsika fampangaraharana asa manerana izao tontolo izao izy io. Mifototra amin'ny...

Iran: “Eny rehetra eny izahay” fanentanana hanoherana ny tsy fankasitrahana pelaka

  24 Mey 2011

Arsham Parsi no mpanorina ny Fikambanan'ny Pelaka Iraniana manana ny foibeny any Toronto, Canada. Tamin'ny 2008,  niteny tao amin'ny Global Voices izy fa “fanomezana tsara ho azy ireo ny aterineto.” Tamin'ity taona ity, tamin'ny 17 may, Andro Iraisam-pirenena hitsipahana ny tsy fankasitrahana pelaka,Iraniana maro no nampiasa ity “fanomezana” ity hanandratana indray ny...

Tonizia: Miverina indray ny Sakana amin'ny Aterineto

  19 Mey 2011

Ny mpampiasa aterineto Toniziana dia afaka niditra ankalalahana tamin'ny Aterineto, tao aorian'ny nienjeran'ny fitondran'i Ben Ali tamin'ny tapaky ny Janoary sy ny niafaran'ny sakana amin'ny vohikala nisy teo aloha. Toa hifarana anefa ity volan-tantely fohy ity, noho ny baiko azo vao tsy ela izay, avy amin'ny fitsarana miaramila mba hanakanana pejy Facebook efatra. Manohitra ny fivoarana vaovao ireo mpampiasa aterineto ao anatin'ity lahatsoratra ity.

Koety: Ny bilaogera manoloana ny fanendrena ny governemanta fahafito nataon'ny PM

  16 Mey 2011

Bilaogera Koesiana nanohy niadi-hevitra ny fomba hiasan'ny governemanta amin'ity herinandro ity, taorian'ny fananganana governemanta vaovao nataon'ny Praiminisitra Sheikh Nasser Al-Mohammed Al-Sabah. Tamin'ny lahatsoratra teo aloha no efa nanoratako ny fanendrena indray ny Praiminisitra na dia teo aza ny  fanontaniana efa nataon'ny Antenimiera, manoloana ny fiovaovan'ny governemantany. Andro vitsivitsy lasa, nanao ny...

Palestina: Fihetsiketsehana Hanoherana ny Fibodoana, Sy Ho An'ny Firaisam-Pirenena

  15 Mey 2011

Tato anatin'ny taona vitsivitsy, nahita ny taniny sady bodoin'ireo fanorenana Jiosy sy ny rindrina fiarovana natsangan'i Israely ao Cisjordanie ireo tanàna Palestiniana ao Andrefan'i Gaza ao. Any amin'ireo tanàna tahaka an'i Nabi Saleh, Bi'lin ary Ni'lin, namaly izany tamin'ny fanatanterahana hetsika milamina isan-kerinandro ireo mponina eny an-toerana. Tsy nivoana tamin'izany ihany koa ny herinandro taorian'ny nanasoniavan'i Hamas sy Fatah fifanekena amin'ny fiombonany.