· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Septambra, 2010

Maraoka: “Ny maha-mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'i Peace Corps an'i Belle”

  29 Septambra 2010

Bilaogin-tsary mahatsikaiky iray no nitety ireo vehivavy Mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'ny Peace Corps any Maraoka, na dia tsy nilaza ny loharano niaviany aza ireo mpitoraka bilaogy namoaka ilay sary mahatsikaiky, dia nilaza ireo vehivavy roa fa mikasika azy ireo izy ity. Ilay sary mahatsikaiky fototry ny resaka ve? «Nahoana i Belle, avy amin'ilay tantara "IManja sy ilay Biby - Beauty and the Beast", raha ny marina dia Mpirotsaka an-tsitrapo iray ao amin'ny Peace Corps any Maraoka.

Arabia Saodita: Fahazoan-dalana hitoraka blaogy!

  28 Septambra 2010

Nanambara drafitra hanarahamaso ireo mpamoaka zavatra sy ny media ao amin'ny aterineto aloha i Arabia Saodita, anatin'izany ireo blaogy sy ireo sehatra fifanakalozan-dresaka, mba ho oarakitra ofisialy ao anatin'ny lisitry ny Governemanta. Ny Ampitson'iny, niteraka fanehoan-kevitra marobe izany, izay milaza fa ireo gazety ao amin'ny aterineto ihany no voakasik'izany. Manana ny tiany hambara ireo vahoaka Saodiana ao amin'ny aterineto.

Egipta: Mitohy ny resa-pady momba ny mpivarotena sy ny setrasetran-dehilahy

Rising Voices  25 Septambra 2010

Namoaka lahatsoratra maromaro momba ny lohahevitra fady eo amin'ny fiaraha-monina Egyptiana ny mpitoraka blaogy vaovao, ho an'ny tetikasa “Manadihady ny fady” any le Caire. Mahakasika ireo mpivarotena sy ny setrasetra ataon-dehilahy amin'ny vehivavy ny sasany amin'ny lahatsoratra. Vao haingana ny sasany tamin'ireo mpitoraka blaogy no nivoaka ny firenena ka nahafahan'izy...

Teknolojia ho an'ny Fangaraharahana : lesona dimy azo notsoahina

  23 Septambra 2010

Manasongadina ireo lesona avy amin'ny fiodinana voalohany tao amin'ny tetikasa fikarohana fiaraha-miasan'ny Teknolojia ho an'ny tambajotra mangarahara an'i Global Voices, i Rebekah Heacock sy i Renata Avila izay mizara rohy maro mikasika ireo fandraisan'anjara nahitana fahombiazana tamin'ny aterineto

Iran: Ny mpitoraka blaogy voatana an-tranomaizina Shiva Nazar Ahari dia nafahana rehefa nadoa antoka $500,000

  14 Septambra 2010

Shiva Nazar Ahari, gadra mafana fo mpiaro zon'olombelona sy mpitoraka blaogy, dia nafahana omaly. Araka ireo vohikalam-baovao maro, dia antoka $500,000 no naloha tamin'ny famoahana an'i Shiva. Nankany amin'ny fitsarana niaraka tamin'ny tanany nisy rojo-vy izy tany amin'ny voalohandohan'ny volana Septambra ary nampangaina ho nampangaina ho niaraka tamin'ilay fikambanana, Mponina Mujahedin ao Iran.

Maraoka: Mpitoraka bilaogy maharay fandrahonana ho faty

GV Mpisolovava  10 Septambra 2010

Lahatsoratr'i Hisham nivoaka tao amin'ny Advocacy ny 10  Sep 2010 Kacem dia Maraokana iray mpitoraka bilaogy sady mafana fo, nahitàna fampahafantarana toy izao tamin'ny tranonkalany, Bahmout, mivaky hoe: “tsy manaiky izay mety hambaranao aho, nefa kosa hiady ho an'ny zonao hilaza azy,” mitanisa an'i Voltaire, Filozofy Frantsay . Kacem, izay...