· Jona, 2010

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Jona, 2010

Maraoka: Ny fanandràmana ny henné

  29 Jona 2010

Efa an'arivontaona maro no nisy n y henné. Mba nanandrana izany voalohany indrindra tany Maraoka i Emily, mpirotsaka antsitrapo avy amin'ny Peace Corps vao tsy ela akory izay. Entin'i Jillian C York amintsika ny tontolo andron'i Emily.

Ejipta: Homboy i Scheherazade

  28 Jona 2010

Voatsipaka ambavafo ny fahalalahana miteny ao Ejipta. Ao anatina andiana fanenjehana manoratra, Scheherazade ao amin'ny Alina 1001 Nights ankehitriny dia voapanga ho miresa-betaveta ka misy ireo mpahay lalàana maniry ny hahafatesany - ao anatin'ny antson'izy ireo hanàkana ilay boky!

Alzeria: Mbola manantena hatrany miaraka amina voromahilala ambinina eo anilan'izy ireoAlgeria: Still Hoping

  26 Jona 2010

Taorian'ny fahareseny teo anatrehan'i Slovenia, dia nahazo hery ry zareo Alzeriana ny 18 Jona rehefa nifanandrina tamin'ny ekipa Anglisy izay natoky tena ny handreseny. Raha alaina sary an-tsaina ny fifanandrinan'ny vendrana amin'ny ekipa mahay, dia nanome fanantenana ireo mpankafy an-tapitrisany izay manantena fa hahita ny ekipa Maitso handingana ny fihodinana voalohany.

Ejipta: Fa iza i Mister Ejipta?

  24 Jona 2010

Tarek Mohammed Abdel Gawad, 26 taona, no voahosotra ho lehilahy tsara tarehy indrindra any Ajipta tamin'ity taona 2010 ity (Mister Ejipta 2010). Izy koa no solontenan'i Ejipta tamin'ny fifaninanana Mister World 2010 (lehilahy tsara indrindra maneran-tany 2010) natao tany Incheon, tany Korea, vao haingana. Araka ny voalazan'ny Universal Queen: Ny tena...

Iran: sarisarin'i Mir-Hossein Mousavi mampisafoaka ireo maitso

  24 Jona 2010

Mpanao sariitatra Iraniana lehibe iray sady mpitoraka blaogy mipetraka any Canada, Nikahang Kowsar, dia namoaka sariitatry ny filoha mpitarika ny, Mir-H0ssein Mousavi izay niteraka fanehoan-kevitra maro tao amin'ny media sosialy Iraniana. Mampiseho an'i Mousavi mipetraka eo latabatra iray afaka 10 taona aorian'izao, manoratra ny fanambarany faha-300.

Alzeria: Fahadisoam-panantenana sy hatezerana taorian'ny faharesena nanoloana an'i Slovenia

  19 Jona 2010

Mpanohana mijery amin'ny alalan'ny Amenkifo ao amin'ny Flirck nahazoana alalana tamin'ny Creative Commons Taorian'ny fiandrasana naharitra 24 taona, dia nandray anjara indray tamin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin'ny baolina kitra natao nanomboka ny 11 jona any Afrika Atsimo ny Alzeriana. Ireo alzeriana “niharan-doza” noho ny resaka navoakan'ny fampahalalam-baovao ofisialy (radio...

Torkia: mety mbola ho tafaverina indray ve ny fifandraisana amin'Isiraely?

  19 Jona 2010

Satria moa nanatri-maso tamin'izay nitranga tao anatin'ny “vondron-tsambon'ny fahafahana any Gaza” notarihan'ny Tiorka iza tontolo izao dia nahita ihany koa ny fahasimban'ny fifandraisana teo amin'ireo Governemantan'i Torkia sy Isiraely.  Mivandravandra ny fahatezerana mahazo ny Governemantan’ Isiraely any Torkia, ary hoharabaina ofisialy tahaka ny mahery fo ireo mafana fo rehefa tafaverina....

Iran: Hihetsika sa tsia amin'ny fankalazana ny tsingerin-taonan'ny fifidianana

  19 Jona 2010

Mir Hussein Mousavi sy Mehdi Karroubi, endrika roa fanta-daza amin'ny fanoherana Iraniana dia nangataka ampahibe maso tamin'ny manam-pahefana hahazo alalana hanao fihetsiketsehana amin'ny tsingerin-taonan'ny fifidianana filoham-pirenena ny 12 Jiona. Naneho ny ahiahiny amin'ny fiarovana ny mpanohitra tamina fanambarana iombonana ry zareo. Maro ireo Iraniana no tsy nankasitraka ity fihetsika mailomailo...

Palestina: “Matahotra ranomasina aho”

  12 Jona 2010

Ho fihetsehana amin'ny “raid” tamin'ny Flotilla-mpahafahan'i Gaza tamin'ny 31 May, nanoratra lahatsoratra miendrika kanto ilay mpitoraka blaogy Gaza Kawther Abu Hani miainga amin'ny fomba fijerina ankizy, mitondra ny lohateny hoe Tsy Levona ireo Vatomamy. Tao amin'ny blaoginy Notes of the Night, manoratra i Kawther : أنا خائفة جدا من البحر...