Tantara misongadina momba ny Afrika Avaratra & Proche Orient
Voadona mafin'ny haintany sy ny ranomasina voaloto ny tapany Atsimon'i Madagasikara
[*Fanamarihan'ny mpandikateny: ny lahatsoratra dia nosoratana talohan'ny fanaovan-tsonia fifanarahana tany Addis-Abeba ny alin'ny Zoma 6 mifoha Asabotsy 7 Novambra 2009]
Raha ny hoavy ara-pôlitikan'i Madagasikara, izay tena tsy azo vinavinaina mihintsy izay alehany hatramin'ilay fanonganam-panjakana nitranga tamin'ny volana Martsa lasa teo iny, dia tapahina amin'izao fotoana izao any Addis-Abeba amin'ny alalan'ny fanelanelanana ataon'ny vondrona iraisam-pirenena ...
2009-11-17
Iran: zavakanto manohitra
Mir Hussein Mousavi, iray amin'ny mpitarika mpanohitra Iraniana no nanamarika vao haingana nandritra ny resadresaka tanaty lahatsary fa tsy manam-paharoa eo amin'ny tantaran'i Iran ny famoronana artistika nananan'ny hetsi-panoherana ‘maitso' hatramin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona lasa teo. Nahazo aingam-panahy tamin'ny hetsika maitso nataon'ny Iraniana ny mpanakanto Iraniana sy ...
2009-11-12
Maraoka: Indro tonga ny Masoandro
Nambaran'i Maraoka tamin'ity herinandro ity ny fanombohan'ny tetikasa angovo azo avy amin'ny masoandro, mitentina hatramin'ny 9 lavitrisa $, hampiakarana ny tahan'ny angovo azo havaozina amin'ny famokarana angovo eo amin'ny firenena. Ireo mpitoraka blaogy mankasitraka azy io no tena maro mizara ny eritreriny.
2009-11-09
Arabia Saodita: Doka ho an'i Grande Bretagne avy amina mpitoraka blaogy iray
Maram Meccawy dia Saodiana mpanoratra sady mpitoraka blaogy, monina sy miasa any Grande Bretagne. Tsy ela akory izay dia nanoratra lahatsoratra iray izy, nantsoina hoe “Nahoana aho no vonona hiaro an'i Grande Bretagne?
2009-11-05
Iran: Nihaika ny fitondrana indray ny Hetsika Maitso
Nanomana fidinana an-dalambe ho fanoherana ny fiaraha-mientan'ny mpanohitra Hetsika Maitso ny faha-4 ny volana Novambra (faha-13 Aban), fa nanararaotra ny fihaonana nokarakarain'ny mpitondra fanjakana tamin'io andro io hanamarihana ny faha-30 taona nananihana ny Ambasadin'i Etazonia ao Teheran. Nahery vaika ny nandravan'ny mpitandro ny filaminana ity fihetsiketsehan'ny mpanohitra ity.
Araka ny efa ...
2009-11-04
Syria: Ny lahatsoratra tsara indrindra sa ny faran'izay ratsy e?
Matetika ireo mpitoraka blaogy Siriana no manakiana lahatsoratry ny mpivahiny momba ny firenen-dry zareo - mazana izy ireny no "stereotypical" loatra, indraindray moa dia diso tanteraka. Ary ho an'ny firenena izay tondroina ho “nitoka-monina” ela, fara-faharatsiny avy any Etazonia, tena mankarary manokana ny saina ny mahita ny lahatsoratra toy izany asandratra ho toy ny zava-marina. Ato anatin'ity lahatsoratra ity, hojerentsika ireo fanehoan-kevitra maro noho ilay lahatsoratry ny National Geographic momba ny firenena tsy ela akory izay.
2009-10-28
Israely: Horonantsary maneho ny olan'ny fanakatonana ireo sisintanin'i Gaza
Eo amin'ny tontolon'ny blaogy Israeliana, tsy dia tsapantsika loatra hoe misy mihaino na dia tsy misy miteny aza, izay no nitranga tamin'ny fanombohan'ny sarimihetsika fohy antsoina hoe “Closed Zone.” Sarimihetsika maharitra 90 segondra momba ireo faritra fivezivezena nohidiana any Gaza, “Closed Zone” izay efa in-31.600 nojerena ary ...
2009-10-27
Tonizia: Fifidianana madio sy tsy mitongilana?
Araka ny efa tsikaritra mialoha dia nandresy tamin'ny fifidianana toniziana indray ka hitantana fanindiminy ny firenena ny filoha Zine Al Abidine Ben Ali. Ny tsy nantenaina dia ny 89.69%n'ny vato rehetra azony. Ny faminavinana manko dia nametraka fa tokony hahazo vato bebe kokoa noho io izy.
Tafavoaka tsara ihany koa ny ...
Isiraely: “fanavakavahana tsotsotra” amin'ny fitateram-baovao
Eo ho eo amin'ny 20%-n'ny mponina, ireo Palestiniana mizaka ny zom-pirenena Isiraeliana (antsoina ihany koa hoe Arabo Isiraeliana) no milaza fa voavakavaka amin'ny sehatra maro eo amin'ny andaanandrom-piainana. Nanery am-panahy mpamaham-bolongana Palestiana iray any Isiraely ny fomba fitantaran'ny haino aman-jery lozam-piarakodia niseho vao haingana.
Ny mpamahana ny bolongana The Other ...





