· Mey, 2010

Tantara mikasika ny Orogoay tamin'ny Mey, 2010

Uruguay: Diabe ampahanginana ho fahatsiarovana ireo voafonja nanjavona

  26 Mey 2010

Tato anatin'ny 15 taona nifanesy, isaky ny 20 May dia mifamory ao Montevideo ny Uruguayans mba handray anjara amina diabe am-pahanginana ho fahatsiarovana ireo novonoina sy nanjavona nandritry ny jadona miaramila izay nanomboka ny 1973 ary nifarana tamin'ny 1985. Ny vondrona Mujeres y Familiares de Detenidos Desaparecidos (Vady sy fianakavian'ireo voafonja nanjavona) no nikarakara ny diabe, ary tamin'ity taona ity ry zareo dia nanomana video iray [es] izay ilazan'ny mpitondra teny iray avy amin'ny vondrona mikasika ny niandohan'ny Diabe sy anazavan-dry zareo ny ady ataony

Orogoay: Tatitra an-tsary fanatanterahana sarinjatovo

  06 Mey 2010

Ny blaogy Con la Cámara en el Bolsillo [miaraka amin'ny saripika ao am-paosiko] dia mitatitra sy manapariaka sary avy any amin'ny faritry ny tanànan'ny Montevideo, (renivohitry) Orogoay. Vao tsy ela i Fonzi no nanapariaka tatitra an-tsary fanatanterahana sarinjatovo amin'ny rindrina iray [es].