· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Pôrtô Rikô (Etazonia) tamin'ny Marsa, 2012

Puerto Rico: Gresy Vaovao Ve?

Ilay manam-pahaizana mpandalina ny ara-bola Cate Long, ao anatin'ny bilaoginy Reuters.com, dia manasongadina ny fitoviana misy eo amin'ny toekaren'i Puerto Rico sy Gresy. Nanjary lasibatry ny fanakianana avy amin'ny fitantanan'ny governoran'i Puerto Rico, Luis Fortuño, ny fandalinana nataony. Nampanakoako izany halemen'ny toekaren'ilay nosy Karibeana izany ireo tambajotra sosialy sy bilaogy maro.

Porto Riko: “Androm-pirenena Ho An'ny Salsa” Ao Amin'ny Sekolin'ny Haikanto.

  27 Marsa 2012

Isan-taona,  ny Alahady fahatelo ny volana Martsa no hankalazaina ao Porto Riko ny Androm-pirenena ho an'ny Salsa. Na dia izany aza, nisy ireo hetsika isan-karazany nifandraika amin'izany fankalazana lehibe izany nandritra ny volana martsa  manontolo. Toy izany ny tamin'ny Alahady 11 Martsa teo, tao amin'ny Sekolin'ny Haikanto momba ny Mozika ao Porto Riko...

Porto Riko: Vondro-Nosin'ny Mozika Mahaleotena

  25 Marsa 2012

Ao anatin'ny ” fikarohana feo mahaleotena ao Porto Riko,” namoaka andian-dahatsary voalohany mitondra ny lohateny hoe Archipiélago [Vondro-Nosy] ny bilaogy mozika Porto Riko Indie. Kendrena ny handrakitra ho antontan-kevitra any amin'ny studio ny mozika mahaleotena miseho an-tsehatra ao an-toerana ho an'ireo mpanakanto mahabe fanantenana be indrindra ao amin'ny nosy. Efa namoaka andian-drindran-kira telo ny Archipiélago...

Puerto Rico: Fanentanana Ety Anaty Aterinto Ho Fanatsaharana Ny Césarienne tsy misy ilàna azy

  11 Marsa 2012

"Césarienne tsy misy ilàna azy" no anarana nomena ilay fanentanana natomboka tamin'ny herinandro voalohany amin'ity volana Martsa ity tao Puerto Rico, hikendrena indrindra ny mba hampihenana ny taha ambony loatran'ny fiterahana ampiasnana ny fandidina "césarienne" ao amin'ity firenena ity : maro amin'izy ireny no zavatra efa nomanina, atao hoe "C-sections" izay tsy manara-penitra ara-pahasalamana akory.

Pôrtô Rikô: “Sary Iray Ve Dia Atahorana Mafy?”

  07 Marsa 2012

Lahatsoratra avy tamin'ny mpanao gazety mpaka sary Ricardo Alcaraz ny gazety-boky an-tserasera 80 Grados tamin'ity herinandro ity no nilazany fa ny filohan'ny oniversite an'i Puerto Rico, Miguel Muñoz no nanasivana ny iray tamin'ireo sariny [es]nokarakarainy noho ny fitsingeranan'ny faha-25 taona nivoahan'ny gazetin'ny oniversite mivoaka isam-bolana Diálogo. Alcaraz sisa no hany mpanao gazety tokana tavela tamin'ireo ekipa tao voalohany tamin'izany....

Pôrtô Rikô: Diabe Hanoherana Ny Fantsom-pitaterana Solika

  03 Marsa 2012

An-jatony ireo olona manerana ny nosy iray manontolo no nandray anjara tamin'ilay "Diaba Nasionaly: Mijoro manohitra mafy ny Fantsom-pitaterana Solika i Pôrtô Rikô" izay notarihan'ilay fikambanana Casa Pueblo. Mizara vitsivitsy amin'ireo sariny nandritra ity hetsika tao San Juan ity ilay mpanao gazety amin'ny alalan'ny sary, Ricardo Alcaraz.