· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Pôrtô Rikô (Etazonia) tamin'ny Septambra, 2010

Porto-Rico: Esheky maty

  25 Septambra 2010

Naneho hevitra ao amin'ny Sin mordazas [ES] ny mpahay tantara sady mpamaham-bolongana Ivonne Acosta tamin'ny fandrarana ny filalaovana esheky any amin'ny sekolim-panjakana navoakan'ny minisiteran'ny fanabeazana any Porto-Rico, sy ny fandavan'ny minisitry ny ny fanabeazana izany filazana izany rehefa nitroatra ny olona.

Karaiba: Fanarahana an'i “Earl”

  01 Septambra 2010

Tonga indray ilay fotoana: vanim-potoanan'ny tafio-drivotra. Ka ireo mpitoraka blaogy any amin'ny faritra, voadona tamin'ireo tafio-drivotra mahery be taloha, dia manara-maso akaiky ny tafio-drivotra Earl, izay nosokajiana ho tafio-drivotra sokajy faha-3. Mandritra ireo 36 hatramin'ny 48 ora ho avy dia eritreretina handalo anyamin'ireo nosy Virjinia Amerikana sy Porto Rico izy, ankoatr'ireo nosy hafa.