· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Però tamin'ny Janoary, 2012

Torolàlana momba ny Crowdsourcing ao Amerika Latina

  26 Janoary 2012

Crowdsourcing, antsoina ihany koa hoe “fiaraha-miasan'ny besinimaro,” dia tetikasa ahafahan'ireo rehetra afaka miserasera mampita fampahafantarana  na vaovao mahasoa ho an'ny rehetra. Ao Amerika Latina, nitsangana ny tetikasa crowdsourcing marobeho fanomezana fahafaham-po ireo filana isan-karazany sy maika atrehin'ny kontinanta, toy ny Heroreports [en], izay mamaritra ny toerana fanaovana asa soa ao Meksika, na...

Peroa : Mozika Krismasy Afro-Peroviana

  20 Janoary 2012

Ny Krismasy, fankalazana iray izay nentin'ny Espaniola tao Peroa tany amin'ny fanombohan'ny taonjato faha enina ambin'ny folo, dia neken'ireo vondrom-piarahamonina samihafa tao amin'ny firenena tsikelikely nandritra ny taona maro. Iray amin'ireny indrindra , ny vondrom-piarahamonin'ny mainty hoditra, izay saiky niara-tonga tamin'ireo Eropeana, sady Kistianina mafàna fo, no nahavita nampiditra ny maha-izy azy tao amin'ilay fety, naneho ny zavatra niainany manokana tanaty asa famoronana ara-javakanto natao ho fanomezam-boninahitra ilay fety.

Miresaka Momba Ny Mety Hamelana Heloka An'i Alberto Fujimori ny Peroviana

  05 Janoary 2012

Ny iray amin'ny lohahevitra tena ifanakalozan-dresaka be ao Pero ankehitriny, indrindra fa any anaty tambajotra sosialy, dia ny mety hahazoan'ilay filoha teo aloha Alberto Fujimori, izay manefa sazy 25 taona any an-tranomaizina noho ny heloka bevava mahakasika zon'olombelona sy kolikoly, famelàna noho ny maha-olona.