GlobalVoices anaty

Però

Tahiry Firenena · 73 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Però

23/05/2013

Però: Fitokonana Tao Iquitos Hanoherana Ny Kolikoly

Tohin'ny lahatsoratra

Fitokonana iray nandritra ny 24 ora tao amin'ny tananan'i Iquitos, ao amin'ny faritra Amazona Peroviana no nikendrena hisarihana ny saina amin'ny fihetsika mampiahiahin'ny Governemantam-paritr'i Loreto ary ny fomba fikirakiran'ny Fahefàna Mpanao Lalàna an'ireny tranga ireny

20/04/2013

Però: Miala Any Indray ilay Volavolan-dalàna Mahabe Resaka Momba Ny Heloka Amin'ny Fampiasàna Informatika

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Tamin'ny herinandro lasa teo, volavolan-dalàna roa goavana mahakasika ny fahalalahana no hita tao anaty fandaharam-potoanan'ny Kaongresy peroviana, saingy tsy nodinihana tamin'ny fotoana farany. Ny voalohany dia ny lalàna momba ny heloka amin'ny fampiasàna ny informatika - fantatra amin'ny anarana hoe #LeyBeingolea - ary ny faharoa, mitondra ny anarana hoe Lalàna manohitra ny "négationnisme", izay mahabe resaka ihany koa, dia mikendry ireo "mankasitraka, manamarina, mandà na manamaivana ny fandikàn-dalàna nataon'ireo mpikambana aminà fikambanana mpampihorohoro".

21/03/2013

Però: Fihazohazoana Efa-Taona Ho an'ireo Voampangan'ny Gidragidran'ny ‘Baguazo’

Tohin'ny lahatsoratra

Volana vitsivitsy sisa dia ho tonga ny tsingerintaona fahaefatry ny zava-nitranga tao Bagua, mbola tsy voavaha ny olana momba ny satan'ireo vazimba teratany 53 voampanga ho nahafaty polisy 12.

05/03/2013

Mampirehitra Ny Media Sosialy i Pero Mandritra Ny Fahatapahan'ny Herinaratra

Tohin'ny lahatsoratra

Ny Alahady 3 Martsa 2013, faritra maro tao Lima renivohitra Peroviana no niharan'ny fahatapahana herinaratra tampoka [es]. Nirohotra tao amin'ny tambajotra sosialy ireo Limeana (ilazàna ireo teratany ao Lima), indrindra fa ny Twitter mba hanao izay handrenesana ny feon-dry zareo.

14/02/2013

Amerika Latina: Mametra-pialàna Ny Papa – Manaraka Eny Ny Fanantenana, Hanihany Ary Fitadiavana Tombony

Tohin'ny lahatsoratra

Nanampoka an'izao tontolo izao ilay fanambaràna ny fametraham-pialàn'ny Papa Benedict XVI avy amin'ny fiketrahana masina, na, ny marimarina kokoa, ny ny Pontifikà Faratampon'ny Fiangonana Katolika, tamin'ny Alatsinainy 11 Febroary 2013.

20/01/2013

Shily: Ny Zavatra Andrandraina Amin'ny Fahatongavan'ny Dakar Ao Santiago

Tohin'ny lahatsoratra

Androany, Sabotsy 19 Janoary 2013 no fiafaran'ilay “hazakazaka faran'izay mampidi-doza indrindra eto ambonin'ny tany”: ny Dakar, ao Santiago. Mientanentana momba ny tsipika famaranana ireo Shiliana mpisera anaty aterineto. Indrindra indrindra fa andrandrain-dry zareo ny hahita ilay mpiray tanindrazana aminy, Francisco "Chaleco" Lopez [es], mpitaingina moto, mety hanatsara ny toerana fahatelo azony tamin'ny andiany 2009 amin'ity andiany iray hifarana ao an-tanindrazany ity

29/12/2012

Andro Faha-2 Ho Fampandrosoana An'i Amerika Latina 2012

Tohin'ny lahatsoratra Teknolojia mampangarahara asa

Nifarana tamin'ny Alahady 2 Desambra teo ny andro faha 2-n'ny hackathon isam-paritra ho fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012, nokarakarain'ny Ciudadano Inteligente Foundation tany amin'ny firenena valo any amerika Latina. Taorian'ny asa mafy tsy ankiato 36 ora , dia nanomboka nanolotra ny tetikasany ireo mpandray anjara tany amin'ny faritra samy hafa mba hahafahan'ny mpitsara maka fanapahan-kefitra ao aoriana ao. Eto no anoloranay ireo mpandresy avy any amin'ny faritra samy hafa.

06/12/2012

Fampiasa Nandresy Tamin'ny Hackaton Goavana Indrindra Ao Amerika Latina

Tohin'ny lahatsoratra Teknolojia mampangarahara asa

Nalefa voalohany tao amin'ny engine room ny lahatsoratra Desarrollando America Latina [es], karazana fifaninanana erantany ho an'ireo mpanao hacking ao Amerika Latina, no hotontosaina mandritra ity herinandro ity manerana ny firenena 8...

03/12/2012

Andro 1 Amin'ny Fampandrosoana an'i Amerika Latinina 2012

Tohin'ny lahatsoratra Teknolojia mampangarahara asa

Indro fa nanomboka tamin'ny 1 Desambra ihany ny Fampandrosoana an'i Amerika Latinina 2012 (#DAL2012). Tamin'ity taona ity ny hackathon rezionaly nomanin'ny Ciudadano Inteligente (Olompirenena Maranitra) Foundation [en] dia nentina tany amin'ny [en] firenena Amerikana Latinina 8: Arzentina, Bolivia, Brezila, Chile, Costa Rica, Meksika, Però ary Orogoay. Indro zaraina ny tatitry ny andro voalohany.

29/11/2012

Hitsidika An'i Pero, Arzantina ary Shily Ny Hazakazaka Dakar 2013

Tohin'ny lahatsoratra

Nandritra ny dimy taona nifanesy, ny Fikambanana Dakar dia nisafidy ny faritra Amerika Atsimo ho ao anatin'ny fifaninanany ivelan'ny làlam-be iraisana. Hamakivaky firenena telo ny làlan'ny 2013 : Pero, Arzantina ary Shily.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny