· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Paragoay tamin'ny Aogositra, 2012

Paragoay: Tolona Sy Fandrahoana Mahazo Ny Tanin'ireo Teratany Aché

Rising Voices  20 Aogositra 2012

Noheverina ho iray volana fitàran'ny firavoravoana ny volana Aogositra taorian'ny namindràn'ny governemanta Paragoaiana tany eo amin'ny 4600 hektara tamin'ny tanindrazany naverina tamin'ny vondrom-piarahamonin'ireo Aché ao Kuetuvy. Kanefa, mbola misy fifandirana ifanaovana amin'ireo vondrona tantsaha izay milaza fa tokony notapahana tamin' ity tany ity no nanembantsembana ity fotoam-piraovravoana ity.

Paragoay: Niainga Tamin'ny Asa An-tery Vaimanta, Lasa Mpitarika Ny Teratany

Rising Voices  12 Aogositra 2012

Fony mbola dimy taona i Margarita Mbywangi dia nesorina teo anatrehan'ireo ray sy reniny ary namidy im-betsaka ho mpiasa an-trano tsy araka ny sitrapony tany amin'ny tranon'ireo Paragoaiana sangany. Lasa mpitarika nanana ny lanjany ho an'ireo teratany Aché izy sady lasa Kabinetra taminà Minisitera. Mpandray anjara amin'ny tetikasa Rising Voices mba hampiasana ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra hizaràna ny tantarany i Mbywangi amin'izao fotoana .