GlobalVoices anaty

Paragoay

Tahiry Firenena · 23 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Paragoay

18/02/2013

Paragoay Taorian'ny Fahafatesana Tampoky Ny Mpifaninana Ho Fidiana Ho Filoha, Lino Oviedo

Tohin'ny lahatsoratra

Maty nianjera tamin'ny angidimby nandehanany tamin'ny Sabotsy 2 Febroary 2013 tany avaratr'i Asunción i Lino César Oviedo, jeneraly Paragoaiana misotro ronono sady mpanao politika. Maty ihany koa ny mpanamory sy ny mpiambina azy.

18/12/2012

Sary Lahatsoratra
Manao Diabe Ny Mpifindra Monina Mba Hitaky Fitovizan-jo Ao Brezila

Tohin'ny lahatsoratra

Tamin'ny 2 Desambra, nidina an-dalambe ny fihetsiketsehana nokarakarain'ireo mpila ravinahitra monina ao São Paulo mba hitaky ny fananany zo fototra toy ny fahasalamana, fiarovana, sy asa mendrika. Niainga tao Praça...

04/12/2012

Miatrika Fanamby Vaovao Ny Politikam-Pifindra-monina Breziliana

Tohin'ny lahatsoratra

Raha efa ela no niadian-kevitra tany Eoropa sy Etazonia ity resaka ity dia vao haingana kosa vao niha-nalaza ny lohahevitra momba ny fifindra-monina mankany Brezila. Efa fantatra ho firenena mpandray...

Mitohy Manakoako Manerana An'i Paragoay Ilay Fifandonana Nahafaty Olona Tao Curuguaty

Tohin'ny lahatsoratra

Mitohy manao atsimo sy avaratra ny fijerin'ny rehetra mikasika ilay bemidina nataon'ny polisy tao Curuguaty izay niafara tamin'ny fahafatesanà pilisy enina sy tantsaha iraika ambinifolo. Ny fanadihadiana momba ilay bemidina, izay nikendrena hanalàna ireo mponina tsy ara-dalàna ao amin'ny tahirin'ala iray, dia mbola mitohy sy iandrasana porofo matanjaka mikasika ny hoe iza no diso.

20/08/2012

Paragoay: Tolona Sy Fandrahoana Mahazo Ny Tanin'ireo Teratany Aché

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Noheverina ho iray volana fitàran'ny firavoravoana ny volana Aogositra taorian'ny namindràn'ny governemanta Paragoaiana tany eo amin'ny 4600 hektara tamin'ny tanindrazany naverina tamin'ny vondrom-piarahamonin'ireo Aché ao Kuetuvy. Kanefa, mbola misy fifandirana ifanaovana amin'ireo vondrona tantsaha izay milaza fa tokony notapahana tamin' ity tany ity no nanembantsembana ity fotoam-piraovravoana ity.

12/08/2012

Paragoay: Niainga Tamin'ny Asa An-tery Vaimanta, Lasa Mpitarika Ny Teratany

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Fony mbola dimy taona i Margarita Mbywangi dia nesorina teo anatrehan'ireo ray sy reniny ary namidy im-betsaka ho mpiasa an-trano tsy araka ny sitrapony tany amin'ny tranon'ireo Paragoaiana sangany. Lasa mpitarika nanana ny lanjany ho an'ireo teratany Aché izy sady lasa Kabinetra taminà Minisitera. Mpandray anjara amin'ny tetikasa Rising Voices mba hampiasana ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra hizaràna ny tantarany i Mbywangi amin'izao fotoana .

02/07/2012

Paragoay: Voaongana ny Filoha Fernando Lugo

Araka ny nitateranay azy vao haingana, ny Loholona Paraguayana dia nandany ny fampiatoana ny Filoha Fernando Lugo amin'ny toerany. Ny mpampiasa aterineto dia naneho ny heviny eo amin'ny fivoaran'ny toe-draharaha ankehitriny ; raha ny sasany kosa, miaro io fampiatoana ny filoha io ho ara-dalàna sy araka ny lalàm-panorenana, ny hafa indray dia milaza fa fanonganam-panjakana io.

21/06/2012

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Graffiti Sy Zavakanton'ny Arabe Any Amerika Latina: Ao Amin'ny Aterineto Sy Eny Amin'ny Arabe

Mivaingana ny zavakanton'ny tanàn-dehibe sy ny graffiti manerana an'i Amerika Latina. Ito misy topimaso kely amin'ireo lahatsoratra vao haingana navoakan'ireo mpitoraka bilaogy izay mizara sary sy lahatsarin'ity hetsiky ny zavakanton'ny tanàn-dehibe mitalakotrokotroka mampihovitrovitra any amin'ireo toerana samihafa manerana ny faritra ity.

24/05/2012

Paragoay: Jery Anatin’ny Fiarahamonin’ny Zanatany Aché.

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Ny fitolomana ny fiarovana ny sisintaniny no nandanian'ny zanatany (Indizeny) Achény androantokon-tantarany. Mampiasa valantserasera  ihany koa ny Aché ankehitriny mba hiarovany fitenin-dreniny sy ny kolontsainy. Ny bilaogy Aché Djawu ] (“Tontolon’ny Aché”)...

30/03/2012

‘Mujeres Construyendo': Fampivoarana Ny Vehivavy, Bilaogy Iray Amin'ny Fotoana Iray

Tohin'ny lahatsoratra

Mujeres Construyendo, sehatra voalohany ho an'ireo vehivavy bilaogera amin'ny teny Espaniola dia te-hamadika ireo vehivavy miteny Espaniola ho lasa mpamorona votoaty ety anaty aterineto. Mitafa amin'ny mpamorona azy io izahay, Claudia Calvin, mikasika ny firoboroboan'ny vondrom-piarahamonin'ny bilaogera.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny