· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Panamà tamin'ny Marsa, 2013

Melohin'ny Fiangonana Katolika Ny Lalàna Fanamombàna Any Panama

  09 Marsa 2013

Namoaka lalàna izay mamela ny vehivavy 23 taona no miakatra izay manan-janaka roa na mihoatra hisafidy malalaka ny ho momba ny Antenimieram-Pirenena Mpanao lalàna tamin'ny 23 febroary 2013. Nolazain'ny Fiangonana Katolika ho fepetra mihoa-pefy izany ary nangatahany ny hanasiam-panovàna. Mandritra izany, mizarazara ihany koa ireo Panameana, ho amin'ireo mahita ilay lalàna ho tsara ary ireo izay mitsipaka azy.